Inona no laokanareo androany sabotsy 26 Jona ? Laoka gasigasy koa ve ? Ohatra hoe gisa na vorontsiloza ? Sa tena nanao hanim-pitoloha mihitsy ? Dia inona no hamaranana ny sakafo ? Koban-dravina sa godrogodro ? Mizara amintsika ny sakafo fandroson’ny Malagasy rehefa fety sy tonon-taona tahaka izao i Bako Rasoarifetra, mpahay tantara, nianatra manokana momba ny Arkeolojia. Ankoatra ny fomba fahandro ny sakafo, dia resahiny ao anatin’ity horonantsary ity koa ny fomba fizarana ny akoho amam-borona rehefa hihinana amin’izay.
Catégorie : Recommandations
-

Natur’Aid Sarlu sy Zay Jejoo ary ny Association We Care ao aminy dia nanao fizarana kilalao sy arendrina ary sakafo ho fanampiana
Natur’Aid Sarlu sy Zay Jejoo ary ny Association We Care ao aminy dia nanao fizarana kilalao sy arendrina ary sakafo ho fanampiana ireo ankizy sy olona sahirana manodidina eny Mandrimena Andoharanofotsy ny 25 Jona ho fiaraha-mifaly amin’ireo olona sahirana manodidina azy noho ny Asaramanitra.Marihina fa rehefa mividy zavatra ao amin’ny Natur’Aid Sarlu sy Zay Jejoo dia misy ampahany omena ny association We Care ho fanampiana sy fanolora-tanana ho an’ireo sahiranaContact : 034 44 255 82 -

FANDRIAM-PAHALEMANA – Ny Tafika malagasy sy ny endriny vaovao
Endrika vaovao sy rafitra vaovao no hasehon’ny Tafika malagasy mandritra ny matso lehibe izay hanamarihana ihany koa ny faha-61 taona nahaterahany. « Tafika manakaiky vahoaka » no heverina ho tanjona amin’izany fanovana izany. Fanazavana.
-

VOAMBOLANA – Tsy voatery ho « tsara » na « ratsy » foana no ilazana ny zavatra « tsara » sy ratsy »
https://youtu.be/92zsjOpFVj0
Tsara ny lalana. Tsara fofona ny sakafo. Tsara tarehy ny vehivavy. Tsy voatery foana anefa isika hampiasa ny teny hoe tsara raha haneho ny fahatsarana. Misy teny maro ahafahantsika maneho izany hatsarana izany. Araho indray ny leson’Ingahy Nalisoa Ravalitera, mpampianatra, hiresaka momba ny teny fanova sy ny teny maro sosona.
-

SAKAFO – Mofo gasy, tsiro gasy, hanitra gasy
Tsy nahandro ampangoro ihany no fomba fahandro sy fomba fikarakaran’ny Malagasy ny vary. Rehefa avadiny ho koba voatoto malemy tsara iny vary dia ahavitany mofo tsy mena-mitaha amin’ny mofo vita amin’ny lafarinina. Mofo gasy, mokary, ramanonaka … kobam-bary avokoa ny akora fototra. Ny singa hafa afangaro aminy sy ny fomba fahandro azy no samy hafa. Nisy koa ireo mpikarakara nanatsara sy nanome tsiro hafa ireo mofo mahazatra. Mofo gasy ihany satria vita amin’ny akora fototra kobam-bary, saingy misy tsirony hafa kokoa.
-

Une grande famille ? vous avez longtemps cherché la solution pour garder vos aliments au frais
Une grande famille ? vous avez longtemps cherché la solution pour garder vos aliments au frais ?La solution ! le réfrigérateur Hisense H740FS, un modèle multi-portes.Avec une capacité nette de 539L, elle conviendra parfaitement à votre famille.




