Tokony hanaraka ny lalàna misy eto Madagasikara ny antoko pôlitika manao fanambarana fa antoko mpanohitra ao amin’ny Antenimierampirenena hoy ny minisitry ny Atitany, Tianarivelo Razafimahefa. Nandritry ny fanokafana ny fivoriana manokan’ny Antenimierampirenena tetsy Tsimbazaza no nanambarany izany.
Catégorie : À la une
-

FANOKAFANA NY FIVORIANA MANOKAN’NY ANTANIMIERAMPIRENENA
Natao teny Tsimbazaza ny talata 16 jolay 2019 ny fanokafana ny fivoriana manokan’ny Antenimierampirenena . Tonga nanatrika izany ny governemanta izay tarihin’ny Praiminisitra Christian Ntsay sy ireo solombavambahoaka miisa 151.
-

Tiako I Madagasikara
Nanatanteraka kôngresy lehibe ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) ny sabotsy 13 jolay lasa teo. Tamin’izany fotoana izany no nanambaran’ny Filoha nasionalin’ny TIM, Marc Ravalomanana, ny fahavononany hitarika ny hery mpanohitra ao amin’ny Antenimierampirenena. Nilaza koa ny tenany fa hanavotra an’Antananarivo amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ho avy io ny antoko tarihiny.
-

VANF ANTRANONKALA – Nisinda ny tampi-maso
Ny fanentanana ve voatery ho ireny horakoraka maivan-doha sy hiakiaka tsy misy lohany tsy misy vodiny ireny sa mba fanehoana ny kanto, ravahana hira mba tena hira, araka ny famaritana ao amin’ny Rakibolana : Hira = feo mirindra mahafinaritra. Mirindra, mahafinaritra, fa tsy mankarenin-tsofina fotsiny ary mainka manorisory.
Saika mba hanaraka ny fitsenàna ny Ekipam-pirenena ihany aho, omaly, saingy vao nahita ny korontana teny Ivato dia efa kivy. Kivy amin’ny tsy fahaizan’ny Gasy mba mandamin-javatra. Ilay «salon d’honneur» nibosesehan’ny havan’ny havan’ny havan-dranona. Ny «officiels», tsy mahay mijanona amin’ny maha «officiels» azy fa mibahana maka sary, mamihina ny mpilalao, latsa-dranomaso tahaka ny any amin’ny fetim-pianakaviany.
Nanampy trotraka ny «fanentanana» bontolo tetsy amin’ny «podium» Mahamasina ka naleoko nihodina nanao zavatra hafa. Ny andro rahateo, nandroso ho hariva, tsy ifankahitan-tava intsony, na ny mpitsena, na ny tsenaina. Taitra tamin’ny torimaso anefa aho, raha nigadona ny sasak’alina, fa toa misy feon-tafondro tao alatrano. Hay moa afomanga indray tetsy Mahamasina : fa tsy tamin’ny telo folakandro ve ny fiaramanidina no nigadona teny Ivato ka adin’ny sivy aty aoriana, anatin’ny haizim-pito, vao mifanatri-tava anaty ambiaty…
Fotoana nantenain-kanirina, kanjo nampivandravandra. Z’inona no mba hafatra ho tanana omaly. Mendrika zavatra hafa tsara lavitra noho ireny ny zava-bita tany Egypta.
Ny sarin’i Madagasikara hitan’izao tontolo izao farany dia ireny sary nahasodoka tany Alexandrie ireny. Ny sarin’i Madagasikara manaraka, hiparitaka maneran-tany, dia ireny korontandrotana omaly ireny. Tampi-maso tsy naharitra ilay «fahagagana» tany Egypta. Miverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra : korontana, hitsa-kitro, fifanosehana, savorovoro, hiakiakan-tsahona.






