? FÊTE DE L’INDÉPENDANCE À MAHAMASINA – BOUSCULADE À MAHAMASINA Témoignages et reportage des évènements du début de soirée de ce 26 juin à Mahamasina et au HJRA.
Catégorie : À la une
-

VANF ANTRANONKALA – Mihady volamena
Ny «Mihady Volamena» ? Mampatsiahy ny zava-bita very tadidy anefa toa tsy dia mahamenatra. Karazan’izany itony «Mamalan-kira» navoakako tamin’ny gazety L’Express de Madagascar itony, efa tamin’ny 6 janoary 2017 : «Vodihena an-dapa, solom-pen’akoho isan-trano».
Nahoana sy iza no afaka «Mihady Volamena» ? Ny «Manan-ko Tantaraina». Nanan-ko Tantaraina ny olona iray, na Foko iray, raha mba nahavita soa : ohatra, tamin’ny razan’ny Andriamanjaka am-perin’asa, ka mba mitaky ny «voa-tsi-manadino» satria matetika moa ririnin-dasa tsy tsaroana ny «voa-mahatsiahy». Nanan-ko tantaraina tokoa isika, roa na telo taona lasa izay, nikasika ity sakafo eny amin’ny Lapam-panjakan’Iavoloha ity.
Fitia tsy te hanan-dratsy, saingy ny sasany no «tsy hita anarina, tsy hay atoro». Nanahirana ny mpitondra nifanesy io sakafobe eny Iavoloha io. Nanahirana, satria toa naneso ny fahantran’ny vahoaka ao ivelan’ny Lapa. Nanahirana, satria nahasadaikatra ny tafaray mifangaro amin’ny olona tsy mahalala fomba. Nanahirana tokoa satria raha voninahitra ny miaka-dapa, lasa nahamenatra ny tazana nisehoseho teny. Saingy, Filohan’ny Repoblika moa no manasa, ka sarotra no hiavonavona.
Ankehitriny, rehefa hita ny lesoka farany tamin’ny sakafobe mbola nanasana olona maro loatra teny Iavoloha, taorian’ny fandraisam-pahefana tetsy Mahamasina, dia tapaka fa foanana tsotra izao ny sakafobe hanasana olona an’arivony.
Izay no teny fampidirana, lalana tsy maintsy nolalovana, vavahady tsy maintsy nidirana. Ho anao mpamaky, tadidio fa efa tamin’ny roa taona lasa no nosoratana izao manaraka izao.
FANASANA ENY AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA. Andafiavaratra tamin’ny voalohandohan’ny Repoblika malagasy. Ambohitsorohitra mandra-pahavitan’ny lapa vaovao tetsy Iavoloha (mbola mora no mahatadidy ilay takelaka vita tamin’ny béton armé, somary nihoatra kely ny fidirana ankehitriny, ary nitondra ny soratra hoe «Mavoloha»).
Rehefa tratran’ny aretina, dedaka handefa mivantana sy manontolo ny lanonana ny mpitondra sy ny tandapa, no nahitan’izao tontolo izao ny fomba mahamenatra nanomboka naharatsy laza ny sakafo teny an-dapam-panjakana. Tratra tamin’izany ny vahiny maro manao am-paosy na an-karona ny sakafo atolotra : asa raha mbola aza atao hoe «manan-kaja» rehefa mivary lavo mampiseho toetra toy ireny.
Raha tsy isan’ny firenena mahantra indrindra manerana izao tontolo izao i Madagasikara, inoana marimarina fa tsy ho nisy fanafintohinana ny fifanatrehana eny Iavoloha. Saingy, indrindra fa alefa mivantana sy manontolo ny fotoana, asa angaha hamenoana ny banga amin’ny fandaharan’ny TVM (televiziona malagasy), dia miharihary loatra ny hantsana misy amin’ny lanonana eny Iavoloha sy ny andavanandron’ny vahoaka sasany : fianakaviana manontolo tsy manan-kialofana, raiamandreny mitsindroka fako, ankizikely mibaby zazamenavava mpangataka an-dalambe.
Raha ny rariny tokoa mantsy, tsy misy mpitondra tokony handihy sy hitotorebika raha mbola tsy nahavita ny vahoaka entina. Indrindra raha sendra ny tandapa tsy mahalala ny atao hoe hena-maso fa mainka mampivandravandra isaky ny hantenain-kanirina. Mihajahaja sy maotimaotina izany ny lanonana amin’ny firenena ataontsika ohatra ary raisintsika tahaka : Amerika na Eoropa andrefana. Tsy fantatra intsony raha ny demokrasia no niteraka izany fahatsorana izany, na ny fahatsorana no namaharan’ny demokrasia.
Ny fanasana an-dapa dia tsy hoe zava-baovao noforonina hatramin’ny 1960, 1975 na 2013. Fahiny, hatramin’ny faran’ny «Andro gasy», ny fotoana makotroka indrindra dia ny Fandroana. Tsy izao tontolo izao akory no tafiditra ny tokotanin’ny Rova, na nampandrosoina tao ambany rihan’i Manjakamiadana. Ny lehibe isan-tokony no manotrona mivantana ny Andriamanjaka, ary izay vahoaka tratra antso miadry eo Andohalo. Hatraiza hatraiza, hatrizay hatrizay, tsy mbola nisy izany hoe «fitovian-tsaranga» izany, fa ny fifampitondrana no nokajiana hatrany, mba tsy handratra ny teny, mba tsy handatsa ny fihetsika. Isam-bohitra, izay tompom-bodivona na tompomenakely na loholona amin’ny Menabe, dia mamono ny omby ho nofon-kena mitam-pihavanana.
Ity farany ity angamba no tsara heverina tsara amin’ny fifampiarahabana taom-baovao tahaka izao. Ny hivahiny an-dapa mantsy anie, efa voninahitra rahateo, fa sanatria ka tsy hameno kibo na hiboboka toaka no anton-dia eny. Ny vodihena tsy vaky raha tsy an-dapa, hoy ny fiteny taloha. Ka ny solom-pen’akoho ho an’ny vahoaka indray no tokony heverina.
Fa mety hihena ny fandaniana raha atao intelo miantaona ny fifampiarahabana ara-panjakana. Fifampiarahabana voalohany miaraka amin’ny andrim-panjakana sy ny olom-boafidy. Fifampiarahabana faharoa miaraka amin’ny masoivoho vahiny. Fifampiarahabana fahatelo miaraka amin’ny fiaraha-monim-pirenena (société civile). Fa ny olona asaina no mety tsy ho zatra : ny Jeneraly mba te hiresaka amin’ny Tale Jeneralin’orinasa, ny Sehatry ny Fananantany mba te hitafa amin’ny Ministra, ny Mpiasam-panjakana ambony mba te hanatsafa ny Masoivoho…
Ny hoe hanafoana tsotra izao fotsiny aloha dia sarotra heverina. Fa ny fandaminana no tsara dinihina, ary indrindra ny fandaniana tafahoatra no tsy maintsy ajanona. Tsy ny tany mantsy no fady fa ny vavam-bahoaka.
-

VANF ONLINE – Dépêchez-vous de manger sur l’herbe*
Le précédent régime, entre autres gâchis, avait échoué à gérer intelligemment le scandale qu’était devenu le double banquet d’Iavoloha, au Nouvel An et à l’anniversaire du retour de l’Indépendance.
Ce ne fut pas faute de leur avoir suggéré «quelques aménagements dans l’approche même de l’événement. En résumé : faire mieux en faisant moins. Moins de dépenses, moins de convives, moins de publicité». Las, comme en tant d’autres sujets, le Président et son entourage étaient restés aveugles aux manifestations d’hostilité et sourds aux suggestions de cercles secondaires qui n’étaient pas leur tour d’ivoire. Pathologie psychologique et intellectuelle de nombre de gouvernants de par le monde.
Dans les colonnes du vieux «Madagascar Matin», celui des années 1970, j’avais pu retrouver des photos prises lors de «Fifampiarahabana», au palais d’Andafiavaratra à l’époque du général Ramanantsoa (1972-1975) et à l’Hôtel de Ville quand Richard Andriamanjato était Maire d’Antananarivo. Le somptuaire de cette époque nous apparaît bien austère. Cinquante ans plus tard, c’est cette austérité que l’opinion réclame dans le somptuaire d’une société qui n’a pas les moyens de son appétit.
Cette année 2019, alors que le banquet du 26 juin est donc annulé, tirant la moralité ultime du banquet organisé après l’investiture du nouveau Président de la République, je partage une vieille Chronique de VANF, parue dans le quotidien L’Express de Madagascar, le 4 janvier 2016.
Pour la suppression de toutes les dépenses somptuaires dont n’a pas les moyens un État classé parmi les 48 PMA (pays les moins avancés) et un des 36 pays éligibles à l’IPPTE (initiative en faveur des pays pauvres très endettés).
Tandis que sa voisine l’île Maurice lorgne sur la catégorie des économies émergentes, Madagascar régresse dans le quart-monde : PIB par habitant réduit à la portion congrue, déperdition scolaire, économie dépendante du cours défavorable de matières premières sans valeur ajoutée. Ceux des Mauriciens, qui avaient pratiqué le Madagascar des années 1960, ne cessent de s’étonner de l’épave que notre pays est devenu : infrastructures en ruines, population prolétarisée, paysage urbain bidonvillisé.
Au fil des ans, la grand-messe de Iavoloha est devenue une curée de toutes les indignités. L’image date d’il y a une vingtaine d’années, mais l’opinion publique a gardé définitivement en mémoire la caricature de ces invités indélicats pillant le buffet, pour glisser les victuailles dans des sachets plastique et ramener de quoi festoyer à la maison. Toute honte bue, même pas subrepticement, mais au vu et au su d’un protocole dépassé. Ce n’est certainement pas l’idée qu’on se fait d’un garden-party présidentiel.
Plusieurs générations de ministres, de députés, de dirigeants de sociétés d’État, ont successivement failli, tandis que le carton d’invitation au palais d’Iavoloha (ou d’Ambohitsorohitra) passe tout de même comme une espèce de reconnaissance sociale. C’est donc pour le moins paradoxal que la République reconnaissante distingue ceux qui l’ont mise dans ce triste état.
Inviter des milliers de convives à Iavoloha n’est pas une obligation constitutionnelle. Cette petite tradition avait été lancée à l’époque de Didier Ratsiraka, premier Président de la République malgache à bénéficier d’une arrière-cour d’une certaine importance avec les jardins d’Ambohitsorohitra. Il n’y aurait aucun scandale à ce qu’un Président de 2016, prenant compte de la réalité de son pays et du quotidien de sa population, mette fin à ce qui devient un abcès de fixation.
Si les routes n’étaient pas parsemées de nids-de-poule, si l’électricité de la Jirama ne court-circuitait pas désagréablement, si Air Madagascar n’était pas devenu un sujet de dérision, si les ordures étaient ramassées, si le trafic du bois de rose était sous contrôle, si l’insécurité n’avait pas atteint le paroxysme de ce double kidnapping suivi d’assassinat, si les forces de l’ordre n’étaient pas soupçonnées d’être impliquées, si la justice elle-même était au-dessus de tout soupçon, etc., alors, oui, l’opinion publique aurait compris que le Président de la République fasse bombance à ses frais avec le corps diplomatique et les corps constitués.
*Jacques Prévert
-

MT180 – MADAGASCAR
19 doctorants, des cinq universités de Madagascar, se sont concurrencés à la grande finale de « Ma thèse en 180 secondes » (MT180), ce 24 juin à l’Institut Français de Madagascar (IFM). Sitraka Rakotosamimanana, l’un des participants, reconnaît la hausse du niveau des participants. Pour lui, ce concours lui a permis de recadrer son travail de recherche.
La coordonatrice régionale du projet « MT180 » à l’Agence Universitaire Francophone (AUF), Mireille Andriamampianina, affirme que les candidats se sont bien débrouillés. MT180 a été une occasion pour les doctorants de montrer publiquement leur capacité à s’adresser aux non spécialistes, ce en utilisant des termes simples et compréhensibles par l’auditoire.
-

MT180 – MADAGASCAR : Ma thèse en 180 secondes
Tianarilalaina Tantely Andriamampianina, venant de l’Université de Mahajanga, a remporté le 1er prix, lors de la deuxième édition du concours « Ma thèse en 180 secondes » (MT180). Avec sa thèse, intitulée « Cladogelonium madagascariense : Anti-inflammatoire », elle a été choisie par les membres du jury pour représenter la Grande île à la finale internationale qui se déroulera à Dakar en Septembre. MT180 est un concours de vulgarisation scientifique organisé par l’Agence Universitaire Francophone (AUF). La remise de prix a été réalisée à l’Institut Français de Madagascar (IFM) le 24 juin.
-

AFOMANGA MIAVAKA ETO ANTANANARIVO ANIO 25 JONA
“Afomanga miavaka no hiseho eto Antananarivo anio 25 jona” hoy ny mpiandraikitra, Commandant Gervais Andriamiharitsoa, Chef de Service des Munitions.
75 metatra ka hatramin’ny 200 metatra ny hahavon’ny afomanga. Hiseho amin’ny endriny maro samihafa ny afomanga anio 25 jona. Haharitra 45 minitra ka amin’ny 07 ora hariva no hanomboka izany raha ny fanazavana azo hatrany.




