Catégorie : À la une

  • VANF ANTRANONKALA – Fitaizana amin’ny soa fianatra

    VANF ANTRANONKALA – Fitaizana amin’ny soa fianatra

    Imoron-tevana hivarina mihitsy ny firenena. Maro ny antony voatanisa (krizy ara-toe-karena, fahantrana isan-tokantrano, «fanjakan’ny madinika», sns) fa ny tena fahalovana dia ny nanaovana tsinontsinona ny «Fitaizana Olom-pirenena» efa ho 45 taona izao. Samy resy lahatra fa ny famerenana izany Fitaizana izany ifotony, amin’ny zaza madinika isam-pianakaviana sy any an-tsekoly, no hany hivoahan’i Madagasikara amin’izao hady mandifotr’olona izao.

    Mizara Loha-hevitra maro izany «Fitaizana Olom-pirenena» izany. Tantara. Teny. Fomba. Madagasikara. Olona. Asa. Fambolena. Fiompiana. Sakafo. Varotra. Indostria. Tany. Tontolo. Biby. Zavaboary. Fiaraha-monina. Didy aman-dalàna.

    Boky maro sahaza ny isan-taonam-pampianarana vao mahenika izany. Ny androany, taridresaka tokana no arosoko ho ohatra. Ny «Fiandrianampirenena» : Madagasikara imason’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, Madagasikara imason’ny vahoaka Malagasy, «Madagasikara ho an’ny Malagasy, Malagasy kosa ho an’i Madagasikara» arak’ilay hiran’i Ludger Andrianjaka. Faharoa azo heverina manaraka : «Fiaraha-Monina» : ny fahafahanao tsy hanelingelina ny fahafahan’ny hafa, ny fahafahana miteraka andraikitra, ny fahafahana ananana adidy.

    Raha izaho tokoa no mampiana-janaka, tahaka izao ohatra no tiako ho saininy, heveriny, ho fakafakainy, hiainany, hampitainy.

    Lohahevitra Ampianarina : FIANDRIANAMPIRENENA

    Toko 1 : Firenena sy Olom-pirenena

    Ry Tanindrazanay Malala ô
    Ny Saina Fotsy-Mena-Maitso
    Madagasikara, Nosy midadasika
    Malagasy, Foko valoambinifolo
    Teny malagasy, fototra indonesiana iray
    Ny Repoblika sy ny Fanjakan’Andriana
    Ny Fanjakana tokana sy ny Fanjakana federaly
    Ny Latsa-bato sy ny Demokrasia
    Ny Hetra sy ny tambiny
    Ny Fahefana sy ny Vahoaka
    Ny Fananam-bahoaka
    Mpiasam-Panjakana

    Voambolana dinihina : Tanindrazana, Firenena, Tenin-dReny, Tenin-dRazana, Tenim-Pirenena

    Toko 2 : Vanim-potoana Fiverenan’ny Fahaleovantena

    26 jona 1960 : Fanambarana imasom-bahoaka ny Fahaleovantena
    14 oktobra 1958 : Fanambarana ny Repoblika
    Aprily 1957 : Fifidianana isaky ny Antenimieram-paritany
    1956-1957 : Rafitra tokana sa Rafitra federaly
    23 jona 1956 : Loi-Cadre

    Toko 3 : Vanim-potoana Fanoherana ny Fanjanahantany

    3.1 : Teto Madagasikara

    29 marsa 1947 : Inona marina no nitranga ?
    4 oktobra 1948 : Fanamelohana ho faty ireo Solombavambahoaka MDRM
    1915-1916 : Raharaha Vy Vato Sakelika (Ravelojaona, Ny Avana, sns)
    1896-1897 : Menalamba, Rabezavana, Rabozaka, Toera, sns.
    15 oktobra 1896 : Fitifirana an-dRainandriamampandry sy Ratsimamanga

    3.2 Sehatra Iraisam-pirenena

    25 aprily 1955 : Mifarana ny Fivoriambe Asia-Afrika tany Bandoeng (Indonesia)
    7 mey 1954 : Ady tao Dien Bien Phu, resin’ny Vietnamiana ny Frantsay
    6 marsa 1946 : Neken’ny Frantsay ny Fahaleovantenan’ny Vietnam
    1939-1945 : Lefy Great-Britaina sy Frantsa : akon’ny Ady Lehibe tamin’ny Fanjanahantany
    Ohatra dinihina manokana : Ethiopia
    Ohatra dinihina manokana : Japana

    Toko 4 : Madagasikara talohan’ny Fanjanahantany

    4.1 Ny tsangambato rehareha iombonana
    4.2 Ny madilana mbola tsy marimaritra iraisana
    4.3 Tantara Malagasy sy/sa Tantara isam-Poko ?
    4.4 Voambolana dinihina : Karazana, Fokonolona, Foko
    4.5 Daty dinihina : 23 oktobra 1817, 30 septambra 1895, 6 aogositra 1896

  • INDICE DES PPN DU MOIS DE JUIN

    INDICE DES PPN DU MOIS DE JUIN

    Extrait des prix des PPN sur le mois de juin 2019.

  • CAN 2019 – INTERVIEW DE LA PRÉSIDENTE DE LA CN-FMF

    CAN 2019 – INTERVIEW DE LA PRÉSIDENTE DE LA CN-FMF

    ? CAN 2019 Madagascar – Burundi Réaction de Attalah Béatrice, présidente du Comité de normalisation de la Fédération malgache de football, après la victoire des Barea de Madagascar face au Burundi.

  • Fandaharana Manokana CAN 2019 – MADAGASCAR/ BURUNDI

    Fandaharana Manokana CAN 2019 – MADAGASCAR/ BURUNDI

    ?Fandaharana Manokana CAN 2019 – BAREA DE MADAGASCAR ??
    MADAGASCAR/ BURUNDI
    Co-production Les Decrypteurs/www.2424.mg 27 jona 2019

  • CAN 2019 – VICTOIRE DE MADAGASCAR FACE AU BURUNDI

    CAN 2019 – VICTOIRE DE MADAGASCAR FACE AU BURUNDI

    ? CAN 2019 Madagascar – Burundi
    Des joueurs des Barea heureux et satisfaits de leur prestation. Interviews.

  • VANF ANTRANONKALA – Fitaizana tsy hifanitsa-kitro

    VANF ANTRANONKALA – Fitaizana tsy hifanitsa-kitro

    Tsy Mahamasina no tery, fa ny olona no kely loha. Na ho atao iray kilometatra aza ny haben’ny vavahady, rehefa tsy mahay mifanaja, raha mbola tsy manaiky milahatra, raha mbola tsy mahavita miandry tantana, tsy atao hahagaga raha mifanosika sy mifanitsaka ho faty.

    Mahamenatra sady mampalahelo. Sivy amby dimampolo taona niverenan’ny Fahaleovantena, milahatra aza tsy hain’ny Gasy. Asa, izay eritreritry ny Filohan’ny Rwanda nanatri-maso tetsy Mahamasina : izao ve sisa ilay Madagasikara nanana Fanjakana nandefa ambasadaoro tany Londres, Paris, Washington, Berlin, raha mbola fokofoko niady an-trano ny tany Afrika ?

    Tsy Antananarivo no kely, fa ny mponina mivangongo eto no betsaka loatra. Ary ny ankamaroany tsy mahay velively izany hoe fiainana an-tanan-dehibe sy an-dRenivohitra izany : 2019, mbola lava-piringy ; 2019, mbola posy sy sarety taritin’olombelona ; 2019, mbola amidy amin’ny tany ny hanin-ko-hanina…

    Jereo ny sary tamin’ny andron’ny Fanjanahantany : ampitahao amin’ny zava-misy ankehitriny. Nadiodio sy nilamindamina ery ny tanàna tamin’izany. Enimpolo taona aty aoriana lasa fisoko ilay Antananarivo : fako, tay, amany, lelo, rehoka, rora, izany no lalovan’ny faladia raha tsy mitandrina.

    Tsy Mahamasina no tery fa ny Sekoly no tsy ampy. Sekoly tokony handetehana an-tsain’ny tsirairay ny fomba amam-panao hahafahana mbola miaraka monina. Zavatra faran’izay tsotra izany mbola vao tsy ela akory, saingy very ny fahalalam-pomba, simba ny toe-tsaina. Tsy fahantrana ara-bola ihany no hita ankehitriny, fa fahantrana ara-tsaina indrindra indrindra.

    Tany amin’ny efapolo taona lasa tany ho any, mbola tsy nisy taxibe teto. Mbola autobus no fitateram-bahoaka ary ny zavatra nampiavaka azy ireny dia ilay soratra tsotra hoe «toerana voatokana». Voatokana ho an’ny Zokiolona, voatokana ho an’ny bevohoka, voatokana ho an’ny mitaiza kely. Izay sendra tafapetraka tamin’izany toerana izany dia nahalala fomba nitsangana avy hatrany raha vao miditra ny autobus ny ray aman-dreny na izay mitondra vohoka.

    Izany fihetsika tsotra izany no simba sy very, tsy hain’ny «Génération taxibe» : mifanaja, tsy misisitsisika, tsy misongontsongona. Tsy mifanitsa-kitro ho faty etsy Mahamasina.

  • SOIRÉE D’INDÉPENDANCE DE MADAGASCAR POUR LES BAREA

    SOIRÉE D’INDÉPENDANCE DE MADAGASCAR POUR LES BAREA

    ? LES BAREA FÊTENT L’INDÉPENDANCE EN EGYPTE

    Les Barea ont pu profité le temps d’une courte soirée pour fêter l’Indépendance de Madagascar le 25 juin. Discours de Attalah Béatrice, présidente du Comité de normalisation de la Fédération Malagasy de Football, et interviews de Sylvie Morel, la maman de Jérémie Morel, ainsi que de Mme Alice, membre de la diaspora en Egypte. Reportage.

  • FIFIDIANANA KAOMINALY

    FIFIDIANANA KAOMINALY

    CENI – Hiroso amin’ny fifidianana kaominaly na eo aza ny olona ara-bola.
  • ? FÊTE DE L’INDÉPENDANCE À MAHAMASINA – RETOUR SUR LES ÉVÈNEMENTS PHARES

    ? FÊTE DE L’INDÉPENDANCE À MAHAMASINA – RETOUR SUR LES ÉVÈNEMENTS PHARES

    ? FÊTE DE L’INDÉPENDANCE À MAHAMASINA

    Retour sur les évènements phares de la journée de la Fête de l’Indépendance à Mahamasina. Une journée qui a basculé de l’allégresse au deuil en début de soirée pour accéder au podium.

  • ? BOUSCULADE FÊTE DE L’INDÉPENDANCE À MAHAMASINA – PREMIÈRES DÉCLARATIONS

    ? BOUSCULADE FÊTE DE L’INDÉPENDANCE À MAHAMASINA – PREMIÈRES DÉCLARATIONS

    ? BOUSCULADE FÊTE DE L’INDÉPENDANCE À MAHAMASINA – PREMIÈRES DÉCLARATIONS