Raha maro ireo sekoly tsy miankina no nanakatona ny varavaravy anio nohon’ny fiakarana tampoka nisy teo amin’ireo voan’ny coronavirus ary nahatratra mpianatra maro dia milaza ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny sekolim-panjakana fa hatreto dia mbola tsy hiverina hikatona izy ireo.
Étiquette : Éducation
-

AMERICAN SCHOOL D’ANTANANARIVO : Le campus se dote d’une centrale solaire
L’American School of Antananarivo vient de s’équiper d’une centrale solaire permettant de subvenir à 42% de ses besoins énergétiques. Cette démarche est faite dans le but de contribuer à la préservation de l’environnement mais aussi pour montrer aux élèves de l’ASA le fonctionnement d’une énergie verte.
-

FANADINANA BACCALAUREAT : Mitohy ny fametrahana antontan-taratasy fisoratana anarana
Nahemotra ny daty fametrahana atontan-taratasy hoan’ireo izay hanala fanadinana bakalorea, hoy ny nambaran’ny profesora Jean François Rajaonarison, Talen’ny Fampianarana ambony eo anivon’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Tsy mbola fantatra kosa anefa hoe hatramin’ny rahoviana no hotohizana izany fisoratana anarana izany.
-

FANAOVANA ARO VAVA AO AN-DAKILASY
FANAOVANA ARO VAVA AO AN-DAKILASY – Misy milaza ireo mpanabe fa tsy tokony ho voasakana ny fifantohan’ireo mpianatra
Misy amin’ireo mpianatra no mitaraina fa sempotra, voahelingelina ny fifandrenesana ao an-dakilasy, amin’ny fanaovana ny aro vava. Tsy maintsy miteny mafy na ireo mpianatra na ireo mpampianatra hoy i Rina Henintsoa Rajerisoa, mpampianatra.
Miaiky koa anefa i Marcel Oscar Onjatiana, talen’ny Sekoly Saint Joseph Mahamasina fa misy amin’ireo mpianatra no variana nohon’ny fanaovana aro vava, kanefa tokony hizatra izy ireo. -

SARAM-PIANARANA : Samy manana ny fandaminany ireo sekoly
Anisan’ny mampifanolana ny raiaman-dreny sy ny tompon’andraikitry ny sekoly ny fandoavana saram-paianarana mandritra ny fotoanan’ny fihibohana. Na dia eo aza ny fotoana fohy tsy nakanesana any am-pianarana dia tsy maintsy aloha ny karaman’ny mpampianatra. Mila mifandamina noho izany ny sekoly sy ireo ray aman-dreny.
-

LYCEE MODERNE AMPEFILOHA : Tsy misy mpianatra na dia iray aza noterena hisotro Covid-organics
Taorian’ny resabe nisy teo anivon’ny tambazotran-tserasera mahakasika ireo mpianatra tsy nanaiky hisotro Covid-organics tao amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha, dia nanazava ny tompon’andraikitra teny an-toerana fa tsy nisy na dia iray aza ny ankizy noterena hisotro ity tambavy ity. -

Sekoly tsy miankina – Misy ireo mbola tsy nahazo ireo fitaovana fidiovana sy fiarovana
Ny talata hariva (21 aprily) no tonga teny anivon’ny Cisco, raha ny manodidina ny faritanin’Antananarivo, ireo fitaovana fidiovana sy arovava ampiasain’ireo mpianatra hanala fanadinana miverina an-tsekoly hoy i Marcellin Tsarasidy, talean’ny ofisy nasionaly misahana ny fampianara tsy miankina amin’ny fanjakana. Nanambara noho izany izy, androany 27 aprily, fa misy ireo sekoly tsy miankina no tsy nahazo izany.
-

FIZARANA COVID ORGANICS ANY AN-TSEKOLY – Tsy terena hisotro ireo mpianatra
Nitarika resabe tamin’ny tambazotran-tserasera ny fizarana ny Covid organics any an-tsekoly. Misy ireo ray aman-dreny no miahiahy ny amin’ny mety ho fiantraikan’ity tambavy ity amin’ny fahasalaman’ny zanany. Nanatona sekoly vitsivitsy izahay ahafantarana ny fandaminana apetrak’ireo tompon’andraikitra. -

FIVERENAN’NY MPIANATRA : Hentitra ny sekoly amin’ny fampanajana ireo fepetra ara-pahasalamana
Miezaka manaraka ireo fepetra napetraky ny fitondram-panjakana, mba hiarovana ny ankizy amin’ny fihanaky ny valan’aretina coronavirus ireo sekoly eto Antananarivo. Androany 22 aprily anefa dia misy ihany ireo toeram-pianarana mbola tsy vonona amin’ny fandraisana ireo mpianatra. -

FIVERENANA AN-TSEKOLY : Miahiahy ny amin’ny tsy fahavitan’ny programam-pampianarana ireo mpianatra
Manoloana ny fiverenan’ny mpianatra an-tsekoly, misy ireo ankizy no miahiahy ny amin’ny tsy hahavitan’ny programam-pampianarana satria fohy ny fotoana ianarana.
