Ivontoerana Safidy : Tsy mitovy ny famakiana ny lalàna.
« Tsy azo raisina », io no valin’ny fitoriana napetrakin’ny Ivontoerana Sampana anarahamaso ny fifidianana, ivontoeran’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy) teny anivon’ny Tribonaly misahana ny ady hifanaovana amin’ny fanjakana mikasika ireo tsy fanarahan-dalàna nandritry ny fifidianana ben’ny tanàna teto Antananarivo. Araka ny nambaran’i Stella Razanamahefa mpitondra tenin’ny Safidy dia lalàna iray no miasa eto Madagasikara kanefa tsy mitovy ny famakiana azy. Raha noraisina ny fitoriana tany amin’ny faritany, dia tsy izany kosa no niseho teto an-drenivohitra.
Étiquette : Élections
-

SAFIDY
-

MBOLA AFAKA RAVANA NY DIDY AVOAKAN’NY FITSARANA MISAHANA NY ADY AMIN’NY FANJAKANA
FIFIDIANANA – Manana telopolo andro ao aorian’ny namoahan’ny Komity mahaleotena mikarakara fifidianana (CENI) ny vali-pifidianana vonjimaika ny fifidianana Ben’ny tanana ny 27 novambra lasa teo, ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana amoahany ny valim-mpifidianana ofisialy.
Ao anatin’izay anefa dia mbola afaka mametraka fitoriana ny olom-pirenena raha araka ny nambaran’i Hery Rason, mpikirakira ny fifanolanana ara-pifidianana ao amin’ny Sampana anarahamaso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), ny 17 desambra teny Ambatonakanga.
-

CONTENTIEUX ÉLECTORAUX : 32 PLAINTES REÇUES PAR LA CENI
À 12 jours de la date prévue pour la proclamation des résultats provisoires des scrutins communaux, la CENI affirme avoir reçu uniquement 32 plaintes au niveau national. 21 doléances ont été enregistrées au niveau de la province d’Antananarivo. Le vice-président, Thierry Rakotonarivo, a précisé que 14 plaintes ont déjà été déposées auprès du Tribunal Administratif tandis que d’autres dossiers ont été remis au niveau des tribunaux de première instance.
Les résultats provisoires des élections communales pour la province d’Antananarivo pourront être proclamés avant le 16 décembre. La CENI confie qu’à l’heure actuelle, les PV émanant de 93,53 % des PV ont déjà été traités.
-

Fifidianana ben’ny tanana: Birao fandatsaham-bato miisa roa tsy nisy fifidianana
Tamin’ireo birao fandatsaham-bato 25 388 teto Madagasikara dia 20 no nahitana tsy fahatomombanana araky ny nambaran’ny CENI. Miisa roa kosa no tsy afaka nanantontosa fifidianana mihitsy. Olana teo amin’ny biletà tokana ny ankamaroan’ireo tsy fahatomombanana ireo toy ny fisiana marika hafahafa na fifamadihana tao amin’ny biletà tokana. Nisy ihany koa ny kandidà izay tsy tafiditra tao amin’ny biletà ny anarany sy ny sariny.
Marihina fa tamin’ity fifidianana ity dia teto Madagasikara daholo no natonta ireo biletà tokana nampiasaina. Nilaza ny CENI fa efa voavaha ny andron’ny fifidianana ihany ireo olana ireo. -

FIFIDIANANA – FANDRAISANA FITORIANA
Nisokatra anio 28 novambra ka hatramin’ny andro hamoahana ny voka-pifidianana vonjimaika, izay eritreretina, ny 16 desambra 2019, ny fandraisana ireo fitoriana nandritra ny fampielezan-kevitra sy ny andron’ny fifidianana. Nanambara izany i Therry Rakotonarivo, filoha lefitry ny Komity mahaleotena mikarakara fifidianana (CENI), anio (28 novambra), teny alarobia.
Nanome fanazavana mahakasika ny lisi-pifidianana nampiasaina nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina ihany koa ny tenany. Raha ny fitoriana mahakasika ny voka-pifidianana kosa dia azo apetraka manomboka ny ampitson’ny daty hivoahan’ny vokapifidianana vonjimaika farany ka hatramin’ny fampahalalana ny vokapifidianana ofisialy, izay heverina hivoaka ny 14 janoary 2020.




