Étiquette : Minute flash

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 09 NOVAMBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 09 NOVAMBRA 2022

    – COP 27: Nanamafy ny adisisika amin’ny fanatanterahana ilay Vina hiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.
    – FAMBOLENA : Aorian’ny 20 Novambra vao ho fantatra ny fotoam-piotazana ny litchi
    – FIFANDRAISANA IRAISAM-PIRENENA : Nihaona tamin’ny filoha Andry Rajoelina ny tale mpanatanteraky ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny sakafo, David Beasley
    – TOEKARENA : 42,8%-ny olona mpiasa amin’ny orinasa afaka haba misehatra eo amin’ny fikirakirana lamba dia ao anatin’ny tsy ara-dalàna avokoa

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 08 NOVAMBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 08 NOVAMBRA 2022

    -LALAO BAOLINA LAVALAVA – Voafidy fanintelony hitantana ny Federasiona Malagasin’ny Rugby i Marcel Rakotomalala, andrasana ny fankatoavan’ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena
    -FOTO-DRAFITRASA – Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny fahavitan’ny fanamboarana ny toby fisintonana ny rano maloto etsy amin’ny 67ha.
    -FIARAHA-MIASA IRAISAM-PIRENENA – Nihaona tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenen’ny Émirats Arabes Unis, Sheikh Shakhboot bin Nahyan Al Nahyan, ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.
    -FANAMBOARAN-DALANA- Mitohy ny fitsirihana ny kalitaon’ny lalana vao namboarina tany Nosy-Be.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 07 NOVAMBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 07 NOVAMBRA 2022

    – VALAN’ARETINA – Mbola nahitana olona 39 vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara teo anelanelan’ny 29 Oktobra sy 4 Novambra, araka ny antotanisa farany navoakan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
    – TONTOLO IAINANA – Tonga any Sharm El Sheick, Ejipta,ny delegasiona malagasy tarihin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina izay handray anjara amin’ny fivoriana an-tampony andiany faha-27 amin’ny fifanarahana lasitry ny Firenena Mikambana mikasika ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, na ny COP 27.
    – FAHASALAMANA – 80% no tahan’ny fahavitam-bakisiny miaro amin’ny coronavirus tokony ho tratrarin’i Nosy-Be mba hampandry ny sain’ireo mpizahatany maniry hitsidika any an-toerana.
    – TARANJA BASKETBALL – Mbola nobatain’ny COSPN indray ny amboaran’i Madagasikara tamin’ny lalao famaranan’ny N1A lehilahy raha nifanandrina tamin’ny ASCUT tamin’ny isa 78 no ho 61, ny Alahady lasa teo tetsy Mahamasina.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 04 NOVAMBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 04 NOVAMBRA 2022

    – FAMPANDROSOANA – Nitokana fotodrafitrasa maro tany Nosy-Be ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.
    – BAOLINA KITRA – Afaka harahina mivantana amin’ny radio sy ny televiziona malagasy ireo lalao rehetra amin’ny Mondial any Qatar.
    – FITATERANA AN’HABAKABAKA – Eo am-pamolavolana ny fametrahana ny sidina mampitohy an’i Nosy-Be sy i Dubaï ny Fitondram-panjakana.
    – FIZAHANTANY – Namarana ny diany tao Maroantsetra ilay sambo goavana Hanseatic Spirit

  • VAOVAO MINUTE FLASH 03 NOVAMBRA 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH 03 NOVAMBRA 2022

    -TSENA IRAISAM-PIRENENA – Hisokatra amin’ny 15 Novambra 2022 izao ary hikatoa amin’ny 31 May 2023 ny fotoam-panondranana lavanila efa voavotra.
    -FIFIDIANANA – Hitety ireo toeram-piasana amin’ny sehatra tsy miankina ireo olona mpanisa sy mpanomana ny lisi-pifidianana vaovao, manomboka ny talata 15 Novambra.
    -FOTO-DRAFITRASA – Hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana ny lalam-be migodana hampitohy an’Antananarivo sy Toamasina.
    -BASKETBALL AFRICA LEAGUE – Fantatra avokoa ireo ekipa mandrafitra ny vondrona F hifanandrina amin’ny COSPN.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 02 NOVAMBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 02 NOVAMBRA 2022

    -DIPLAOMASIA – Nohamasinina ho Eveka omaly talata i Mgr Tomasz Grysa, solontenan’ny Papa Ray Masina eto Madagasikara
    -ANGOVO – Efa mampiditra herinaratra ao amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo ny orinasa Cottonline ary 431 ariary isaky ny kWh no hividianan’ny Jirama ny 1 kWh
    -FIFANOLANANA – Mbola tsy raikitra indray ny fihodinana faharoa amin’ny fifampidinihana momba ireo Nosy kely manodidina eo amin’i La Frantsa sy Madagasikara

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 31 OKTOBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 31 OKTOBRA 2022

    – VALAN’ARETINA : Mitombo ny tranga vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus izay mitotaly 43 tamin’ny herinandron’ny 22 ka hatramin’ny 28 Oktobra.
    – LALAON’NY FRANKOFONIA : Vondrona A no misy ny ekipa malagasy lehilahy eo amin’ny taranja baolina kitra, ary vondrona B kosa ny ekipam-pirenena malagasy vehivavy eo amin’ny taranja basketball.
    – FOTO-DRAFITRASA : Nampanantena ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-2, faha-4, ary faha-7 ny filoha Andry Rajoelina.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 28 OKTOBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 28 OKTOBRA 2022

    – FANABEAZANA : Nahemotra ho amin’ny herinandro ambony ny fandinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny rafi-panabeazana eto Madagasikara
    – FIZAHANTANY : Mpizahantany 172 no tonga ao Toliara androany zoma
    – KOLOTSAINA : Hankalazaina ny 7 ka hatramin’ny 10 Desambra ny fety Zaza Rap Taiza

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 27 OKTOBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 27 OKTOBRA 2022

    – VOINA : Nisehoana haintrano halina ny tao amin’ny tsenan’Anosibe.
    – VOLAVOLAN-DALANA MOMBA NY TETIBOLA 2023 – Hisitraka fanalefahan-ketra ireo sekoly tsy miankina
    – SORA-PIANKOHONANA : Hifarimbona amin’ireo trano pirinty tsy miankina ny Fitondram-panjakana amin’ny fanontana ireo taratasim-panjakana.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 26 OKTOBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 26 OKTOBRA 2022

    – FITOKONANA – Hiverina handray ny asany, ny 2 novambra, ireo mpirakidraharaha eny anivon’ny fitsaràna.
    – FANABEAZANA. Hodinihana ny zoma ho avy izao eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna mikasika ny rafi-pampianarana.
    – DIPLAOMASIA – Masoivoho vahiny telo no nanolotra ny taratasy fanendrena azy ireo androany teny Iavoloha