Étiquette : Minute flash

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 10 OKTOBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 10 OKTOBRA 2022

    – JIRAMA – Hiato ny famokarana herinaratra avy amin’ny ny tobim-pamokarana herinaratra amin’ny rian-drano ao Andekaleka ny 14 ka hatramin’ny 17 Oktobra.
    – TONTOLO IAINANA – Natsangana ny Vondrona iraisana misoroka sy miady amin’ny doro tanety
    – VALAN’ARETINA – Olona telo vaovao no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus tao anatin’ny herinandro raha ny tarehimarika farany navoakan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 07 OKTOBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 07 OKTOBRA 2022

    – AKORANAFO – Nilaza ho nahita mpanjifa hafa ankoatra ny Jirama hividy ny solika mavesatra vokariny ny Madagascar Oil
    – FIFAMOIVOIZANA – Ho tapaka ny lalana mampitohy an’i Soavinandriana sy Ampasampito, ary Antsakaviro sy Antsahabe manomboka rahampitso sabotsy
    – TONTOLO IAINANA – Nohamafisin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy sy nampitombony ireo fepetra hisorohana ny mety hahamay ireo faritra arovana sy ireo valan-javaboahary.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 06 OKTOBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 06 OKTOBRA 2022

    – TONTOLO IAINANA – Nihena hatramin’ny 90% ny trangan’afo raha oharina amin’ny tranga tamin’ny taon-dasa tamin’ny vanim-potoana mitovy, hoy ny minisiteran’ny Tontolo iainana
    – FAMPANDROSOANA – Hametraka paikady nasionaly hoan’ny fandraisana andraikitry ny orinasa eo amin’ny fiarahamonina ny fitondram-panjakana
    – FITSARANA – Nanao fitantanana sy nandray asa tamin’ny fomba ofisialy teo amin’ny andraikiny ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony eto Madagasikara, Ranary Robertson Rakotonavalona

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 05 OKTOBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 05 OKTOBRA 2022

    – SEHATRY NY ASA – Amin’ny taona 2022 ihany no mihatra ilay karama farany ambany mitentina 250.000 ariary, mijanona ho 9,9% ny fiakaran’ny karaman’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina
    – TONTOLO IAINANA – Mbola haloto ny rivotra eto Antananarivo mandritra ny telo andro ho avy
    – BASKETBALL – Tsy nanaiky ny hanome ireo mpilalaony anankiroa hanampy ny COSPN ho amin’ny fifanintsanana Road to BAL ny GNBC

  • VAOVAO MINUTE FLASH 04 OKTOBRA 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH 04 OKTOBRA 2022

    -DORO ALA – May kilan’ny afo ny 90%-n’ny toerana nambolena hazo any Marohogo.
    -DORO TANETY – Mihoatra ny 80 ha ny faritra ala efa may ao amin’ny faritra arovana Zombitse Vohibasia nanomboka ny alahady 2 Oktobra, mbola mitohy ny afo hoy ny Madagascar national parks
    -KITRA LALAOVINA AMIN’NY TORA-PASIKA – Voalahatra ao anatin’ny ekipa folo sangany aty Afrika i Madagasikara.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 30 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 30 SEPTAMBRA 2022

    – ZON’OLOMBELONA – Tokony havoaka ampahibemaso ho fantatry ny besinimaro ny didim-pitsarana an’ireo voarohirohy ho manao herisetra amin’ny olona varira, hoy ny Firenena mikambana.
    – TONTOLO IAINANA – Tafiakatra 8 000 hekitara ny velaran’ny faritra ravan’ny afo ao amin’ny valan-javaboaharin’ny Helodranon’i Baly ao Soalala, ahitana firehetana ihany koa ao Ankarafantsika
    – TSENA – Samy tsy mihemotra tsy milefitra na ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra na ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’ny Petite Vitesse amin’ny resaka fivarotana eny amin’ny sisin-dalana.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 29 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 29 SEPTAMBRA 2022

    – FITOKANANA : Nitokana ny Vondron’ny mpilatsaka an’elonaina voalohany izay mitondra ny anarana toby Jeneraly Mounibou Ismael i Andry Rajoelina
    – JONO : Tsy misy fiantraikany amin’ireo mpanjono madinika ny jono ataon’ireo mpanjono eoropeana hoy i Paubert Mahatante minisitra ny jono sy toekarena manga.
    – FIFIDIANANA : Indroa miantaona ny fitsirihana ny rindra-kajy ampiasain’ny CENI amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana hoy i Dama Andrianarisedo

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 28 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 28 SEPTAMBRA 2022

    – TONTOLO IAINANA – Vinavinaina ho 4.000 hektara ny ala kilan’ny afo tao amin’ny valan-javaboaharin’ny helo-dranon’i Baly any Soalala, hapetraka ny aroafo hifehezana ny fihitaran’ny afo
    – FIFANAKALOZANA – Tafidina latsaka ny 4.000 ariary ny sandan’ny euro iray
    – VAKOKA – Mitohy amin’ny fanarenana ny Lapan’i Tranovola sy Manampisoa ny fanarenana ny Rovan’Antananarivo, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny asa, hoy ny ministeran’ny serasera sy ny kolotsaina

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 27 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 27 SEPTAMBRA 2022

    – AKORANAFO – Toby mpamatsy sy mpivarotra solika efatra farafahakeliny no efa nakatona vonjimaika tao aorian’ny fitsirihana nataon’ny Ofisy malagasy momba ny akoranafo
    – BAOLINA KITRA – Nomontsanin’i Madagasikara tamin’ny isa 7 noho 1 ny Nosy Seisela tamin’ny lalao miverina fihodinana voalohany amin’ny fifanintsanana ho amin’ny CAN U23
    – FANATANJAHAN-TENA – Nanainga nankany Etazonia hanohy fianarana no sady hiofana amin’ny taranja basketball i Lovasoa Andriatsarafara sy i Donovan Rakotonanahary, samy mpilalaon’ny Ankoay latsaka ny 18 taona

  • VAOVAO MINUTE FLASH 26 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH 26 SEPTAMBRA 2022

    -TSENAN’NY PETITE VITESSE – Mangataka ny hivarotra eo amin’ny antsasaky ny faritra natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ireo mpivarotra amoron-dalana
    -FISITRAHANA JIRO – Hametraka tobim-pamokarana herinaratra vaovao mandeha amin’ny solika eny Ambohimanambola ny Jirama
    -VALAN’ARETINA COVID-19- Niakatra ho 16 ny tranga voamarina fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 ka eto amin’ny faritra Analamanga no nahitana azy ireo.