Étiquette : Minute flash

  • VAOVAO MINUTE FLASH 22 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH 22 SEPTAMBRA 2022

    -SOLIKA – Mamporisika ireo mpanjifa sendra ny solika tsy manara-penitra hitory eny amin’ny manampahefana ny Ofisy malagasy momba ny akoranafo
    -FIRENENA MIKAMBANA – Nanisy tsindrim-peo momba ireo ezaka vita sy ireo vina ho kasaina ny Filohan’ny Repoblika nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny fivoriambe faha 77-n’ny Firenena Mikambana izay atao any New York
    -BAOLINA KITRA – Betsaka ny tsara azo notsoahina tamin’ny lalao nihaonan’ny Barea sy ny Lion’ny Atlas Maraokana izay notontosaina ny alarobia 21 Septambra tany Maraoka, hoy ny mpanazatra Nicolas Dupuis

  • VAOVAO MINUTE FLASH 21 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH 21 SEPTAMBRA 2022

    -JONO – Tsy ilana fahazoan-dalana ny fitondrana mivezivezy ny hazandrano milanja latsaka ny 10 kilao.
    -FIARAHA-MIASA – Nilaza ho nahazo toky ny amin’ny fanohanana tekinika avy amin’ny FMI ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ny PEM
    -BAOLINA KITRA – Tsy ho tonga hitarika ny Barea latsaka ny 23 taona amin’ny lalao roa hihaonany amin’ny Pirates seychellois ny mpanazatra Boualem Mankour

  • VAOVAO MINUTES FLASH 20 SEPTEMBRE 2022

    VAOVAO MINUTES FLASH 20 SEPTEMBRE 2022

    -VAROTRA – Miverina ny fanomezana fahazoan-dalana manondrana vatosoa sy vatosarobidy ho any ivelany, nohamafisina ny ady amin’ny fanamboarana taratasy hosoka
    -DIPLOMASIA – Nanamafy ny Rosiana fa manohana an’i Madagasikara amin’ny fitakiany ireo Nosy Malagasy
    -BAOLINA KITRA – Nanomboka androany talata tany Maraoka ny fampivondronana ireo Barea ho fanomanana ny fifanintsanana amin’ny CAN 2023

  • VAOVAO-MINUTE FLASH 19 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO-MINUTE FLASH 19 SEPTAMBRA 2022

    -FIZAHANTANY – Maimaim-poana ny saran’ny taratasy fahazoan-dalana mivahiny eto Madagasikara latsaka ny 15 andro, araka ny nambaran’ny ministeran’ny Fizahantany
    -ASA – Miisa eo amin’ny telo tapitrisa ny orinasa tsy manara-drafitra eto Madagasikara
    -VALAN’ARETINA – Tranga vaovao 8 no voamarina fa mararin’ny Covid-19 teo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 16 Septambra.

  • VAOVAO MINUTE FLASH 16 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH 16 SEPTAMBRA 2022

    -HETSIKA – Handray anjara amin’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana sy amin’ny fihaonana an-tampony amin’ny Fanovana ny fanabeazana izay atao any New York ny filoham-pirenena Andry Rajoelina
    -FITANTANANA : Fotodrafitrasa dimy voalaza fa tsy ara-dalàna ao amin’ny toera-ponenan’ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’Antananarivo no nandraisana fepetra
    -FANATANJAHANTENA : I Senegal, i Ouganda ary i Egypta no hiray vondrona ka hifanandrina amin’i Madagasikara amin’ny CAN Beach soccer 2022 ao Mozambika.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 15 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 15 SEPTAMBRA 2022

    – FIZAHANTANY : An-jatony ny famandrihana nofoanan’ny mpizaha tany tato anatin’ny folo volana mahery tany amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany noho ny tsy fiasan’ny zotra an-dalamby Fianarantsoa Manakara
    – FANABEAZANA : Hisolo tena ny mpianatra Malagasy any New York mandritra ny fihaonana antampony momba ny fanavaozana ny fanabeazana i Nambinintsoa Alfa Narcisse.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 14 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 14 SEPTAMBRA 2022

    – TSENA : Hampidirina ao anatin’ny tsenan’Anosy ireo mpanao “décodage” sy mpanakalo volamena ao Analakely, hoy ny kaominin’Antananarivo Renivohitra.
    – BAOLINA KITRA : Ny talata 20 Septambra no higadona eto Madagasikara ireo mpilalao mpila ravinahitra ka mandrafitra ny Barea U23, efa miatrika ny fampivondronana kosa ireo mpilalao avy eto an-toerana.
    – FITSARANA : Tsy misy resaka politika ny fantanterahana ny hetsika fanaovana kopia faobe hoy ny minisitrin’ny fitsarana.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 13 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 13 SEPTAMBRA 2022

    – VAROTRA – Tsy famerana vidin’entana farany ambony fa famaritana vidin’entana fampitahana no hapetraky ny minisitera misahana ny Varotra
    – FAMATSIAM-BOLA IVELANY : Nankatoavin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ny famoahana ny ampahany fahatelo amin’ny fanampiana izay omeny ao anatin’ny programa FEC izay mitentina 31,9 tapitrisa dolara
    – BAOLINA KITRA – Niainga androany talata hamonjy an’i Eswatini ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy, higadona eto Madagasikara androany kosa ny Elgeco Plus.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 12 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 12 SEPTAMBRA 2022

    – VALANARETINA COVID-19 – Olona 14 hafa no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus teo anelanelan’ny 3 ka hatramin’ny 9 Septambra araka ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka omaly alahady
    – FITATERANA – Olona 14 no namoy ny ainy taorian’ny fifandonan’ny fifandonan’ny sambo haingam-pandeha Fenofano sy ny botry Mazava II omaly Alahady hariva
    – TONTOLO IAINANA – Miisa 1 amin’ny 1000 ny tahan’ny fahafatesan’ny trozona eto Madagasikara, hoy ny ministeran’ny Jono sy ny toekarena manga

  • VAOVAO MINUTE FLASH 09 SEPTEMBRE 2020

    VAOVAO MINUTE FLASH 09 SEPTEMBRE 2020

    -FOTODRAFITRASA – Hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’Antsohihy sy Andapa, hoy ny filohan’ny Repoblika
    -RANOMASINA – Nanokatra fanadihadihana ara-tsiansa ny ministeran’ny Jono sy ny toekarena manga mba hamantarana ny antony nahafaty ireo trozona hatramin’izao fotoana izao.
    -FANATANJAHAN-TENA – Lavon’ny ekipa Aostralianina tamin’ny isa 48 no ho 0 ny Ladies makis teo amin’ny lalao am-pahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany amin’ny baolina lavalava mpilalao fito