Étiquette : Minute flash

  • VAOVAO MINUTE FLASH 08 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH 08 SEPTAMBRA 2022

    -FANABEAZANA – Tombanana ho 76,7% ny tahan’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ary mikajy eto Madagasikara
    -FAMPIANARANA AMBONY – Ny zoma 9 Septambra no hivoaka ny tetiandro ary amin’ny tapaky ny volana Septambra kosa no haloa avokoa ny volan’ny vatsim-pianaranan’ny mpianatry ny Anjerimanontolo eto Madagasikara.
    -TETI-PIVOARANA – Hampitaina sy hatolotra amin’ny daholobe amin’ny 28, 29 ary 30 Oktobra ny Drafitra entina mampandroso an’i Madagasikara

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 07 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 07 SEPTAMBRA 2022

    – FITSABOANA – Nahazo fitaovana famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ny Hopitaly Analakininina ao Toamasina
    – FAMPIATIANA – Havaozina ny lalàna mifehy ny zon’ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara
    – FIZAHANTANY – Manao antso avo ny Konfederasion’ny fizahantany eto Madagasikara mikasika ny tsy fandriampahalemana misy manerana ireo faritra.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 06 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 06 SEPTAMBRA 2022

    – FAMATSIANA HERINARATRA – Vita ny asa fanamboarana ny milina famokarana herinaratra G3 ao Andekaleka hoy ny orinasa Jirama
    – FAMPIANARANA AMBONY – Efa vita ny volavolan-tetiandro fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra, miandry fankatoavana sisa
    – TOETRY NY ANDRO – Hiverina hiakatra indray ny mari-pana eto Analamanga manomboka ny alarobia 7 Septambra.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 05 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 05 SEPTAMBRA 2022

    – VALAN’ARETINA COVID 19 : Nahitana fiakarana kely ny isan’ny olona vaovao voamarina fa mararin’ny coronavirus eto Madagasika, indrindra fa ny eto Antananarivo
    – FANABEAZANA : Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fidiran’ny mpianatra teto an-drenivohitra
    – ASA : Hivoaka tsy ho ela ny didy fanapahana mampihatra ny didim-pitondrana mikasika ny fampiakarana ny karama farany ambany.

  • VAOVAO MINUTE FLASH 02 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH 02 SEPTAMBRA 2022

    -BAOLINA KITRA – Tafiakatra hilalao ny Chan 2023 any Alzeria ny Barea A’
    -FANABEAZANA : Hisy ny fotoana fanarenana hoan’ny mpianatra isaky ny fanombohan’ny vanim-potoana roa volana iray amin’ity taom-pianarana 2022-2023 ity.
    -TRAFIKA– Olona efatra no nampidirina eny Tsiafahy raha mbola karohina kosa ny iray hafa tamin’ireo voarohirohy amin’ny fanondranana an-tsokosoko volamena 17 kilao.

  • VAOVAO MINUTE FLASH 01 SEPTAMBRA 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH 01 SEPTAMBRA 2022

    FITAKIANA : Tokony hivoaka rahampitso zoma ny vatsim-pianaran’ireo mpianatry ny oniversiten’Antananarivo
    FITATERANA : Hiverina amin’ny 17 Septambra ny sidina mampitohy an’i Sainte-Marie sy La Réunion.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 31 AOGOSITRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 31 AOGOSITRA 2022

    -IKONGO – Gadra 40 no tafaverina am-ponja ary olona folo tamin’ireo 21 naratra no voatatitry ny angidimby ho any Ifanadiana.
    -FINOANA KATOLIKA – Tamin’ny fomba manetriketrika no nanokafana ny andiany fahafolon’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tanora tany Antsirabe.
    -FAMPIANARANA AMBONY – Mitaky ny handoavana ireo vatsi-pianarana mbola tsy azo tamin’ny farany teo ireo mpianatry ny Politeknika Vontovorona.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 30 AOGOSITRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 30 AOGOSITRA 2022

    – IKONGO : Miisa 19 ireo olonamaty, 21 ireo naratra tao aorian’ny fifanjevona omaly.
    – FITATERANA : Tsy manaiky ny fiveren’ny Taxi-moto ao anatin’ny adihevitr’ireo mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ireo mpitondra taxi.
    – FIFIDIANANA : Olona telo tapitrisa no mbola tsy tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana

  • VAOVAO MINUTE FLASH 29 AOGOSITRA 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH 29 AOGOSITRA 2022

    -VALANARETINA COVID-19- Miisa 11ny tranga vaovao voamarina fa mararin’ny coronavirus tamin’ny fitiliana 673 natao ny 20 ka hatramin’ny 26 Aogositra.
    -HAI-TRANO – Hatomboka rahampitso talata 30 Aogositra ny fanarenana ny tranoeva fivarotam-boky etsy Ambohijatovo izay may ny sabotsy 28 Aogositra hariva.
    -JMJ X – Toerana fandraisana mpizaika 17 izay ahitana tobi-pandraisana 57 no efa vonona ao Antsirabe

  • VAOVAO MINUTE FLASH 26 AOGOSITRA 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH 26 AOGOSITRA 2022

    -SORA-PIANKOHONANA – NisitrakaAnkizy 30 avy eo Ankorondrano nisitraka kopia lava
    -FITSARANA – Nolavin’ny Fitsarana mpandrava didy ny fangatahana fandravana didy nataon’ireo mpiaro ireo voapanga fototra tamin’ny raharaha Apollo 21
    -FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO – Volamena milanja 17 kilao saika ahondrana ho any Dubaï no sarona teny Ivato ny alakamisy alina