Étiquette : Minute flash

  • VAOVAO MINUTE FLASH – 25 AOGOSITRA 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH – 25 AOGOSITRA 2022

    -FITATERANA – Tsy latsaka ny 950 ireo fiara mpitatitra manao fangatahana hitatitra olona hanatrika ny JMJ Mada X any Antsirabe
    -KARA-PANONDROMPIRENENA : Maherin’ny telo tapitrisa ireo Malagasy tsy tafiditra anaty sora-piankohonana
    -FAMPISEHOANA : Hanafana ny hetsika Blooky Festi-Rock eny Antsahamanitra ny alahady ho avy izao i Iary, i Rheg de Gang ary i Roova

  • VAOVAO MINUTE FLASH 24 AOGOSITRA 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH 24 AOGOSITRA 2022

    FANTANJAHANTENA : Nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny filoham-pirenena ny Ankoay latsaka ny 18 taona
    FIFIDIANANA : Hangataka fanampiana amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena i Madagasikara hanohanana ara-bola ny fifidianana hokarakaraina amin’ny 2023
    FIOMPIANA : Nisy ny fiofanana hiomanana amin’ny fandraisana ireo omby vavy sy osy nohafarana tany ivelany

  • VAOVAO MINUTE FLASH 23 AOGOSITRA 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH 23 AOGOSITRA 2022

    -RAHARAHA AMIN’NY VAHINY – Tsy matanjaka tahaka an’i Rosia isika ka ho avy haka ny Nosy kely manodidina amin’ny sambo mpiady sy tafondro, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny
    -FOTODRAFITRASA – Tokony hisokatra afaka telo volana ny tapany avaratry ny tetikasa Miami ao Toamasina hoy ny sekretariam-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana
    -FANATANJAHANTENA – Mpilalao zazalahy sy zazavavy 900 latsaky ny 14 taona no mandray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja basketball any Tsiroanimandidy

  • VAOVAOV MINUTE FLASH 19 AOGOSITRA 2022

    FIZAHANTANY – Miisa 71 289 ireo olona avy any ivelany tonga teto Madagasikara nandritra ny enim-bolana voalohany
    FIVEZIVEZEN’NY FILOHA – Ho any Sainte Marie ny Filohan’ny Repoblika amin’ny faran’ny herinandro hitokana fotodrafitrasa sy hanatrika ny hetsika Baleines en fête

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 18 AOGOSITRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 18 AOGOSITRA 2022

    – FAMPANDROSOANA – Mari-pankasitrahana mitaky andraikitra no azon’ny filoham-pirenena tany Aotrisy, hoy ny talen’ny kabinetra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
    – LOZAM-PIARAKODIA : Kamiao mitondra solika mavesatra ho an’ny orinasa Jirama no niongana tetsy amin’ny By Pass.
    – BAOLINA KITRA – Ny « Pirates » avy any Seychelles no hifandona amin’ny Barean’i Madagasikara mandritra ny fihodinana voalohan’ny fifanintsanana amin’ny CAN ho an’ny mpilalao latsaky ny 23 taona.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 17 AOGOSITRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 17 AOGOSITRA 2022

    – FITATERANA : Mihoatra ny 200 isan’andro ny fiara mpitatitra olona miainga avy ao amin’ny tobim-piantsonana Andohatapenaka
    – SOLIKA : Miato ny fividianana solika amin’ny bidons na fitaovana hafa mandra-pahatonga ny 25 Aogositra, hoy ny OMH
    – FANADINANA : 61% ny taham-pahafahana bakalorea any amin’ny faritany Toamasina

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 16 AOGOSITRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 16 AOGOSITRA 2022

    – VALIM-PANADINANA – Miandry amin’ny faran’ny herinandro ny valin’ny fanadinana bakalorea eto Antananarivo, 45,22% sy 43,95 ny taham-pahafahana tao Mahajanga sy Fianarantsoa.
    – TSENA – Nihaona tamin’ireo solontenan’ny mpivarotra eto an-drenivohitra ny ben’ny tanànan’Antananarivo nanazava ny mikasika ny fitantanana ireo tsena.
    – FIAROVAM-PIRENENA – Tafapetraka amin’ny fomba ofisialy ny vondron-tafika an-dranomasina ao Toliara izay hitobian’ny Tafika an-dranomasina any amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 09 AOGOSITRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 09 AOGOSITRA 2022

    – FEPETRA ARA-PAHASALAMANA – Mangataka ny haneken’i Madagasikara ny taratasy manamarina ny fahavitan’ny vakisiny avy any Eoropa ny Vondrona Eoropeanina
    – FINOANA – Nanotrona ny fanokafana ny zaikaben’ny tanora loterana ny filohan’ny Repoblika mivady ary nilaza fa hanao fanomezana fiara tsy mataho-dalana ho an’ny filohan’ny FLM
    – AFROBASKET U18 – Ny Ginea no hihaona amin’i Madagasikara amin’ny ampahefa-dalana sokajy lehilahy, ny Tanzania kosa ho an’ny sokajy vehivavy

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 08 AOGOSITRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 08 AOGOSITRA 2022

    – FAHADIOVAN’NY TANANA – Misedra fahasahiranana ny orinasa mpandraoka fako eto an-drenivohitra noho ny olana eo amin’ny famatsiana gazoala
    – TSENA – Mpivarotra miisa roa arivo no homena fanofanana mialohan’ny handraisany ny toerany eny amin’ny tsenan’ny Coum 67 ha
    – AFROBASKET U18 – Samy resy ny Ankoay lahy sy vavy androany alatsinainy rehefa nihaona tamin’ny Liona senegale sy tamin’ny Voromahery maliana

  • VAOVAO- MINUTE FLASH 04 AOGOSITRA

    VAOVAO- MINUTE FLASH 04 AOGOSITRA

    -ANGOVO – Efa nanomboka nampiharina tamin’ny fandanian’ireo orinasa tamin’ny volana Jolay teo ny vidin’ny herinaratra vaovao Optima Business, hoy ny Filan-kevitry ny minisitra
    -VAROTRA – Hoferana 500.000 ariary ny vidin’ny lavanila efa voakarakara ho an’ny taom-pivarotana 2022 – 2023, matahotra ny ho fatiantoka ireo mpikarakara lavanila
    -FANATANJAHAN-TENA – Nanomboka androany alakamisy ny fetin’ny basikety aty Afrika ho an’ny tanora latsaka ny 18 taona na mbola rahampitso zoma aza ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy