Étiquette : Minute flash

  • VAOVAO MINUTE FLASH 20 JOLAY 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH 20 JOLAY 2022

    FITATERANA – Nifanaraka amin’ny saran-dalana tokana 700 ariary ny fivondronan’ireo mpitatitra eto an-drenivohitra
    HARENA AN-DRANOMASINA – Vola mitentina 1.169.000 dolara no ho arotsaky ny orinasa Japan Tuna ato anatin’ny roa taona ho tamberim-bidin’ny lamatra alainy anaty fari-dranomasin’i Madagasikara

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 19 JOLAY 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 19 JOLAY 2022

    – FANADINAM-PANJAKANA – Niakatra ny taham-pahafahana BEPC manerana ny Nosy ho an’ny taona 2022 raha oharina amin’ny vokatra tamin’ny taon-dasa, hoy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena
    – FIAKARAN’NY VIDIM-PIAINANA – Miantso ny fifanohanana manoloana ny ady sarotra ara-toekarena sy ara-tsosialy lalovan’ny vahoaka amin’izao fotoana izao ny Fivondronan’ny Fiangonana kristianina
    – BAOLINA KITRA – Voantso hanatevina ny Barea amin’ny lalao hifanandrinana amin’i Seychelles amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tompondakan’i Afrika CHAN 2023, i Nina sy i Dax ary i Berajo.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 18 JOLAY 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 18 JOLAY 2022

    – FITATERANA – Milaza ny hampiditra am-balam-pamonjana sy hisintona ny taratasy fahazoan-dalana miasa an’ireo fiara fitateram-bahoaka mbola mampihatra ny saran-dalana 800 ariary manomboka ny zoma izao ny Kaominina Antananarivo Renivohitra
    – VALANARETINA – 606 ireo mararin’ny Covid-19 manaraka fitsaboana, ka 9 amin’ireo anaty tranga fahasarotana.
    – FANADINAM-PANJAKANA- Miisa 192.435 ireo mpiadina niatrika ny fanadinana bakalorea nanomboka androany alatsinainy.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 15 JOLAY 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 15 JOLAY 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 15 JOLAY 2022
    – HERINARATRA – Mitentina 210 miliara ariary ny fakitioran’ny Jirama tsy naloan’ny mpanjifany sasany nanomboka ny taona 2017
    – FANONDRANANA – Nisokatra nanomboka androany ny fandraisana ireo antonta-taratasy fangatahana alalana hanondrana lavanila ho an’ny taom-panondranana 2022-2023
    – BAOLINA KITRA – Tapitra hatreo ny fandraisan’ny Barea anjara amin’ny fiadiana ny Amboaran’ny fivondronan’ireo Federasion’ny baolina kitra aty atsimon’i Afrika, Cosafa Cup 2022, rehefa resin’i Afrika Atsimo tamin’ny isa 2 no ho 1

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 14 JOLAY 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 14 JOLAY 2022

    – FITATERAM-BAHOAKA – 800 ariary no saran-dalana nofaritan’ireo kaoperativa mikambana ao amin’ny vondrona FMA
    – FIRAISAN-KINA – Mbola manentana an’i Madagasikara hanohana azy amin’ny firaisan-kinany amin’i Iokrainina ny firenena frantsay
    – FANABEAZANA – Mahatratra 62,57 isan-jato ny taham-pahafahana BEPC ho an’ny faritra Analamanga, fa 56,30 isan-jato kosa ho an’Antananarivo Renivohitra.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 13 JOLAY 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 13 JOLAY 2022

    – SOLIKA – Mety ho niakatra hatramin’ny 1.200 miliara ariary ny trosan’ny mpamatsy solika amin’i Madagasikara amin’ny faran’ny taona raha toa tsy nampiakarina ny vidiny
    – TEKNOLOJIA – Haloan’ny mpivarotra ao amin’ny Pochard Soarano amin’ny alalan’ny karatra nomerika manomboka izao ny haban-tsena 500 ariary
    – VAROTRA IVELANY – Maherin’ny 3.000 taonina ny lavanila naondran ‘i Madagasikara tamin’ny taona 2021-2022, izay mitentina tsy latsaky ny 770 tapitrisa dolara

  • VAOVAO MINUTE FLASH 12 JOLAY 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH 12 JOLAY 2022

    FITATERANA – Tsy mitovy hevitra ny mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra ny amin’ny tokony ho tahan’ny fiakaran’ny saran-dalana
    TOE-KARENA – Ampahafantarina eny amin’ny Tokotaniben’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, Parvis, ny andraikitra, sy ny asa ary ny tolotra eo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana malagasy
    BAOLINA KITRA – Resin’ny ekipan’i Namibie tamin’ny isa roa noho aotra ny Barean’i Madagasikara ka nihintsana tamin’ny fiadiana ny Amboaran’ny Fivondronan’ireo Federasion’ny baolina kitra aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 11 JOLAY 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 11 JOLAY 2022

    – VALANARETINA – Roa no maty ary 311 ny tranga vaovaon’ny covid-19 ny 2 hatramin’ny 8 Jolay 2022.
    – FITATERANA – Nampiakatra saran-dalana avy hatrany 4 000ar hatramin’ny 20 000ar ireo zotram-pitaterana nasionaly taorian’ny fampiakarana ny vidin’ny solika.
    – MARI-PANKASITRAHANA – Mpiara-miasa 70 mahery avy ao amin’ny Inviso Group no nahazo mari-boninahitra ho fankasitrahana ny asa vitany sy ny faharetany teo amin’ny vondron’ny orinasa
    – BAOLINA KITRA – Nihazo an’i Afrika Atsimo omaly alahady sy androany alatsinainy ny Barea hiatrika ny Cosafa Cup

  • VAOVAO MINUTE FLASH – 07 JOLAY 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH – 07 JOLAY 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH – 07 JOLAY 2022
    FANKASITRAHANA – Mpiara-miasa ara-miaramila frantsay miisa sivy no notolorana ny medalin’ny fiarovam-pirenena avy amin’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena
    FITATERANA – Milaza ny hampiakatra ny saran-dalany ihany koa ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly raha vao miakatra ny vidin’ny solika
    COSAFA CUP – Mpilalao avy amin’ny CFFA ny fito amin’ireo mpilalao nantsoin’i Romuald Rakotondrabe na Roro handrafitra ny Barea hiatrika ny Cosafa Cup

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 06 JOLAY 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 06 JOLAY 2022

    – VAROTRA – Mitohy mandritra ny telo volana vaovao ny famerana ny vidiny farany ambonin’ireo entana ilaina amin’ny andavanandro ka mety hisy fiovana ireo vidiny farany ambony napetraka teo aloha
    – FAMPIANARANA – Efa nanomboka ny fizarana ny tambin-karaman’ireo mpampianatra mitsara ny fanadinana BEPC ho an’ny taona 2019-2020, hoy ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena.
    – FAMPIANARANA AMBONY – Eo anelanelan’ny volana Septambra sy Desambra ho avy izao no hanatanterahana ny lanonana fametrahana amin’ny fomba ofisialy ireo filoha vaovaon’ireo Oniversite manerana ny Nosy.