Étiquette : Minute flash

  • Article sans titre 47931
    – FITATERANA – Miandry ny fiakaran’ny vidin’ny solika ny fanondrotana ny sarandalan’ny taksibe.
    – FANONDRANANA LAVANILA – Nampitandrina ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana fa hosintonina ny fankatoavana nomena ireo mpanondrana lavanila tsy manaja ny vidin’ny iray kilao ho 250 dolara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena
    – FANOMPOAM-PIRENENA – Tanora mihoatra ny 6.000 no nahavita ny fitsarana miaramila teto Antananarivo Renivohitra nandritra ny andro voalohany omaly alatsinainy

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 30 JONA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 30 JONA 2022

    FAMATSIANA SOLIKA – Miato ny fahafahana mividy lasantsy sy gazoala amin’ny daba « bidons » na « jerricans » mihoatra ny 25 litatra eny amin’ny toby fivarotana solika
    – FAMBOLENA : Hanafatra fitaovam-pambolena matihanina ny Fitondram-panjakana
    – FITOKONANA – Mandà ny fisiana ambadika politika amin’ny fitakiana ataony ireo sendika eo anivon’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny, milaza ho tsy manao fanambaniana mpiasa araka ny voalazan’ny mpitokona ny minisitra

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 05 NOVAMBRA 2020

    VAOVAO – MINUTE FLASH 05 NOVAMBRA 2020

    – TANANA VAOVAO : Hafindra eny Imerintsiatosika ny tetikasa Tanamasoandro saika ho atao teny Ambohitrimanjaka

    – VAKOKA : Tonga eto Madagasikara ny satro-boninahitry ny tatarom-piandrianan’ny Mpanjakavavy Ranavalona III
    – FIFANINTSANANA CAN 2022 : Madagasikara hifanandrina amin’i Côte d’Ivoire, raikitra ireo lalao roa
  • VAOVAO – MINUTE FLASH 04 NOVAMBRA 2020

    VAOVAO – MINUTE FLASH 04 NOVAMBRA 2020

    – TOEKARENA : Voafehy ny fidangan’ny vidim-piainana eto Madagasikara hoy ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara
    – HERINARATRA – Hisitraka famatsiana herinaratra avy amin’ny masoandro Antananarivo
    – HERISETRA : Hametraka ny ny rafi-pitsarana manokana hamaizana ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy ny minisiteran’ny Fitsarana
  • VAOVAO – MINUTE FLASH 03 NOVAMBRA 2020

    VAOVAO – MINUTE FLASH 03 NOVAMBRA 2020

    – VAKOKA : Haverin’ny Frantsay eto Madagasikara ny satroboninahitry ny mpanjakavavy Ranavalona III
    – VALANARETINA : Trangana pesta roa no voatily teto amin’ny faritra Analamanga hatramin’ny volana Aogositra
    – FITSINJARAM-PAHEFANA : Hisitraka birao misahana ny fitantanana-draharaha momba ny harena an-kibon’ny tany ny distrikan’i Vohemar
  • VAOVAO – MINUTE FLASH 22 OKTOBRA 2020

    VAOVAO – MINUTE FLASH 22 OKTOBRA 2020

    – BAOLINA KITRA/BAREAN’I MADAGASIKARA – Nivoaka ny lisitr’ireo 25 lahy hiatrika an’i Cote d’Ivoire ny 7 sy 14 novambra
    – PARLEMANTA – Tsy mbola tafiditra ao anaty lahadinikin’ny solombavambahoaka ny volavolan-dalana mamaritra ny faritra faha-23
    – FAHASALAMANA – Olona 6000 mahery no nisitraka fitsaboana maimaim-poana tamin’ny hopitaly mandehandeha
  • VAOVAO MINUTE FLASH 21 OKTOBRA

    VAOVAO MINUTE FLASH 21 OKTOBRA

    -FITSARANA : Hisy ny famindrana toerana sy fanodinana mpitsara mba hiadiana amin’ny kolikoly

    -BAOLINA KITRA : Nahaza fankatoavana vonjimaika avy amin’ny CAF ny kianjan’i Barikadimy
    -FANATANJAHAN-TENA : Naseho ampahibemaso ny logo vaovaon’ny Federasiona ny baolina kitra
  • VAOVAO MINUTE FLASH 20 OKTOBRA

    VAOVAO MINUTE FLASH 20 OKTOBRA

    -FEPETRA ARA-PAHASALAMANA : Tsy hisy intsony ny fitialiana PCR hoan’ireo izay mandray zotram-piara-manidina anatiny

    -TSENA : Trano fivarotana 14 no nakaton’ny kaominin’Antananarivo renivohitra tetsy Soarano
    -PARLEMANTA : Milaza ho tsy miantoka izay mety ho olana aterakin’ny tsy fahatomobanan’ny fivoriana ara-potoana ny Antenimieran-doholona
  • VAOVAO – MINUTE FLASH 30 SEPTAMBRA 2020

    VAOVAO – MINUTE FLASH 30 SEPTAMBRA 2020

    – VALANARETINA : Olona iray maty, olona 31 vaovao mitondra ny tsimokaretina
    – TOETRY NY ANDRO : Miditra lohataona i Madagasikara fa efa hifarana ny ririnina
    – FAMATSIAN-DRANO : Toerana valo manodidina ny renivohitra no ametrahana fitaovana fanadiovan-drano
  • VAOVAO – MINUTE FLASH 29 SEPTAMBRA 2020

    VAOVAO – MINUTE FLASH 29 SEPTAMBRA 2020

    https://www.youtube.com/watch?v=eD4ffhyqgwI

    – VALANARETINA : Olona 29 vaovao mitondra ny tsimokaretina, tsy nisy ny aina nafoy
    – FITATERANA AN’HABAKABAKA : Afaka mitondra ireo mpiasa vahiny monina any Nosy Be miverina eto Madagasikara ny Ethiopian Airlines
    – BAOLINA KITRA : Hanao lalao ara-piralahiana amin’ny Black Stars avy any Ghana ny Barean’i Madagasikara ny 12 oktobra