Étiquette : Minute flash
-

VAOVAO – MINUTE FLASH 15 SEPTAMBRA 2020
– VALANARETINA : Olona 34 vaovao voan’ny coronavirus, olona iray namoy ny ainy– FAMATSIANA HERINARATRA : Voatery notapahina ny jiro tamina kaominina fito ho fiarovana ny aina-lehilahy iray nihanika teny amin’ny andrin-jiro– ZANDARIMARIAM-PIRENENA : Niverina nampianatra ny sekolin’ny zandarimaria ao Ambositra -

VAOVAO-MINUTE FLASH 18 Aogositra 2020
– FIZAHAN-TANY – Ireo kompania-pitaterana an’habakabaka efa nahazo alalana hihazo an’i Nosy be no hahazo alalana ho any
– VAROTRA – Nakisaka ny Tsenan’ny Tantsaha eo Andravoahangy ary tsy maintsy faranana amin’ny 7 ora maraina
– VALANARETINA – Ny faritr’i Bongolava no nahitana tranga vaovao-na coronavirus betsaka indrindra tato anatin’ny 24 ora -

VAOVAO-MINUTE FLASH 14 Aogositra 2020
– VALANARETINA – Niampy roa ireo namoy ny ainy noho ny Covid-19, niampy 121 ny tranga vaovao– KIRIZY ARA-PAHASALAMANA – Manodidina ny dimy alina tapitrisa ariary ny vola harotsaky ny Cnaps hindramin’ireo mpiasa sahirana– FITATERANA AN’HABAKABAKA – Fiaramanidina roa mitondra ireo teratany malagasy nampodiana avy any ivelany no andrasana etsy Ivato amin’ity faran’ny herinandro ity -

VAOVAO – MINUTE FLASH 2020 13 Aogositra 2020
– VALANARETINA – Niampy enina ny lavon’ny valan’aretina, ny 88% ireo voamarina fa nitondra ny tsimok’aretina no efa sitrana– TAORIAN’NY HAIN-TRANO – Nifindra vonjimaika eny Ambatobe ao amin’ny biraon’ny OLEP ny biraon’ny foibem-pirenena ho an’ny tontolo iainana na ONE– FANAMPIANA NY SEHATRA TSY MIANKINA – Amin’ny alatsinainy 17 Aogositra no hanomboka ny fisoratana anaran’ireo te hisitraka ny findramam-bola ho an’ny mpiasa -

VAOVAO – MINUTE FLASH 12 AOGOSITRA 2020
– VALANARETINA – Mihena ny isan’ireo tranga vaovao voamarina fa mitondra coronavirus, mbola niampy efatra ny maty– FINOANA – Nanapa-kevitra ny hanokatra ireo trano fiangonana ihany koa ny Fiangonana Loterana Malagasy– FANAMPIANA – Nanolotra vola mitentina 5 tapitr’isa dolara ny firenena Amerikanina ho fanohanan ireo marefo nohon’ny valan’aretina Covid 19 -

VAOVAO – MINUTE FLASH 23 Jolay 2020
– VALANARETINA – 219 ny olona vaovao voan’ny coronavirus, 498 ny sitrana
– FAMPODIANA – Mpanamory malagasy roa no nanamory ny fiaramanidin’ny Precision Air nanatitra Kaomorianina nody
-LOZAM-PIFAMOIVOIZANA – Fiara miaramila saika hanatitra marary any amin’ny hopitaly nandona trano tao Ambohibao -

VAOVAO – MINUTE FLASH 22 Jolay 2020
– VALANARETINA – Niampy 614 ny isan’ny olona voan’ny coronavirus, olona efatra maty– FAHASALAMAM-BAHOAKA – Manomboka lany ny tahirina Azithromycine eny anivon’ny toeram-pivarotam-panafody– VAROTRA – Noferan’ny minisitera ho 650 000 ariary ny kilaon’ny lavanila voakarakara amin’ity taom-piotazana 2020 ity -

VAOVAO – MINUTE FLASH 14 Jolay 2020
– CORONAVIRUS – Niampy roa ireo maty noho ny Covid-19, niampy 263 ireo mitondra ny tsimokaretina.– FIANGONANANA – Nodimandry ny pasitora Benjamin Rabenorolahy filohan’ny Fiangonana Loterana eto Madagasikara teo aloha– TOE-KARENA – Nambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana fa mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana ny teti-bola nasiam-panitsiana

