Étiquette : Minute flash

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 03 AOGOSITRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 03 AOGOSITRA 2022

    – FAMATSIANA – Ampy tsara ny tahirin-tsolika eto Madagasikara ary ho tonga amin’ny 9 Aogositra ny sambo manaraka mpitatitra solika.
    – AFROBASKET – Ny Senegaley, ny Alzerianina ary ny Beninoa no miray vondrona amin’ny Malagasy mandritra ny lalao hiadiana ny amboaran’ny Afrika amin’ny basketball latsaka ny 18 taona sokajy lehilahy
    – FANATANJAHANTENA – Mpanao judo roa amin’ny sokajy junior sy mpibata fonjam-by efatra no nahazo mari-boninahitra androany alarobia.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 02 AOGOSITRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 02 AOGOSITRA 2022

    – FAMPITANDREMANA – Hampiato ny fikirakirana ny famoahana ny valim-panadinana bakalorea ny sendikan’ny mpandraharahan’ny Oniversite Fianarantsoa raha tsy mivoaka ao anatin’ny 48 ora ny karaman’izy ireo
    – FIHETSIKETSEHANA – Nidina an-dalambe ireo mponin’Itaosy androany noho ny fahatapahan’ny herinaratra matetika sy lavareny
    – TSY FANDRIAMPAHALEMANA – Lehilahy voarohirohy ho mpiray tsikombakomba tamin’ireo voalaza fa nanafika ny tanànan’Ambohitriniandriana tany Ambolotarakely ka nahafaty olona 32 no voatifitry ny zandary androany talata

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 01 AOGOSITRA 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 01 AOGOSITRA 2022

    – FANABEAZANA – Mbola marefo ny seha-pampianarana eto Madagasikara ka mila fanavaozana amin’ny lafiny maro
    – VALANARETINA – Olona iray no namoy ny ainy noho ny Covid-19 teo anelanelan’ny 23 hatramin’ny 29 Jolay, nihena ho 1,2%-n’ireo olona natao fitiliana ny tahan’ireo voamarina fa mitondra ny tsimokaretina
    – BAOLINA KITRA – Tafiakatra amin’ny dingana manaraka amin’ny fifanintsanana handraisana anjara amin’ny fiadiana ny ho Tompondakan’i Afrika 2023 ny Barean’i Madagasikara rehefa avy nandresy an’i Seychelles tamin’ny isa 3 noho 0

  • VAOVAO MINUTE FLASH 29 JOLAY 2022

    VAOVAO MINUTE FLASH 29 JOLAY 2022

    -Karazan-tsakafo 550 kilao efa lany daty sy simba tsy azo hohanina intsony no nodorana sy nopotehina tany Antsohihy omaly alakamisy
    -FITSARANA MIARAMILA – Mihemotra ho amin’ny 31 Jolay ny fikatonan’ny fitsarana miaramila eto Antananarivo Renivohitra.
    -FANADINANA – Hivoaka manomboka ny 13 Aogositra izao ny lisitry ny anaran’ireo afaka bakalorea.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 28 JOLAY 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 28 JOLAY 2022

    – FAMPIANARANA – Manomana fikaonan-doha nasionaly momba ny fanovana ny rafi-panabeazana ny fitondram-panjakana
    – FIAROVANA – Notoloran’ny masoivoho frantsay takelaka mandrara ny fidiran’ny ankizy tsy ampy taona amin’ny toerana voarara ho azy ireo ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka
    – BAOLINA KITRA –5 000 ariary hatramin’ny 20 000 ariary ny tapakila vidim-pidirana ho an’ny lalao hifanandrinan’i Seychelles sy ny Barea ao Mahamasina ny alahady izao.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 27 JOLAY 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 27 JOLAY 2022

    – FANOMPOAM-PIRENENA – Mahery ny 20 000 ireo zatovo tonga niatrika ny fitsarana miaramila androany alarobia 27 Jolay ka vehivavy ny 65% tamin’izany.
    – SERANAN-TSAMBO TOAMASINA – Manomboka amin’ny 3 tapitrisa ariary ny hanaovana lavanty ny fiara tsy nalain’ny tompony tao amin’ny fadintseranan’ny seranan-tsambon’i Toamasina
    – FITATERAM-BAHOAKA – Olona 1,4 tapitrisa isan’andro no mandray taxi-be eto an-drenivohitra araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 26 JOLAY 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 26 JOLAY 2022

    – ASAM-PANJAKANA – Miezaka mampihodina ny raharaha eo anivon’ny departemantan’ny Raharaham-bahiny ny Minisitera na mbola mitohy aza ny fitokonan’ny mpiasa
    – FAMPIANARANA AMBONY – Mitaky ny handoavana ny tambin-karaman’izy ireo tamin’ny taona 2021 ny mpampianatra mpiambina sy mpitsara sasany ny fanadinana bakalorea
    – FAMBOLENA – Mitaky ny hanomezana avy hatrany ny fahazoan-dalana hanondrana ireo mpanondrana lavanila efa niasa nandritra ny dimy taona tao anatin’izany seha-pihariana izany ny mpanondrana lavanila

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 25 JOLAY 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 25 JOLAY 2022

    -VALANARETINA – Miha-mihena hatrany ny isan’ireo marary vaovaon’ny Covid-19 na dia mbola misy ihany aza ny mamoy ny ainy
    -TRANO FONENANA – Tany Mahajanga no nanombohana ny fizarana ireo trano mora natao tamin’ny alalan’ny fisarihana
    -SEHATRY NY LAVANILA – Nizarana karatra biometiriaka misy irony marika QR itony ny mpamboly lavanila any Andapa entina hiady amin’ny halatra lavanila

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 22 JOLAY 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 22 JOLAY 2022

    – FOTODRAFITRASA – Afaka handray olona hatramin’ny 300 isa ny toeram-ponenana vaovao ho an’ny mpianatra ao Ambondrona Mahajanga izay notokan’ny filoham-pirenena androany
    – HETSIKA – Hahitàna tolotr’asa sy fampahafantarana mikasika ny maha olona sy ny fampandrosoana eny amin’ny Tokotaniben’ny Lapan’ny tanàna Analakely hatramin’ny rahampitso.
    – ZO FANANANA – Kara-tany iray tapitrisa farafahakeliny no ho zaraina mialohan’ny faran’ny taona 2023.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 21 JOLAY 2022

    VAOVAO – MINUTE FLASH 21 JOLAY 2022

    – FITATERANA AN-DRENIVOHITRA – Sahirana ny hampihatra ny saran-dalana 700 ariary ny mpitatitra eto an-drenivohitra ka niverina nampihatra ny sarany 600 ariary
    – KOLONTSAINA – Andrasana eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina ny vatamangatsiakan’ny mpanakanto mpihira Rak Roots izay nodimandry ny alarobia alina