– VALANARETINA – Olona roa no namoy ny ainy noho ny tsimokaretina coronavirus, 60 ireo tranga vaovao.
– FIAROVANA AMIN’NY COVID-19 – 70 ireo olona voasazy noho ny tsy fanaovana aron-tava, mpamily sy mpamily mpanampy 78 no notazonin’ny polisy ary fiara 39 no nampidirina anaty valam-pamonjana
– HETSIKA FITAKIANA – Nitokona ireo mpianatra ho mpitsabo mianatra asa eny amin’ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona
Étiquette : social
-

VAOVAO – MINUTE FLASH 29 JONA 2020
-

FETIN’NY FAHALEOVAN-TENA – Efa miomankomana handray ny fanamarihana ny 26 Jona Analakely sy ny manodidina
Androany alarobia 24 Jona no nanomboka tapaka ny lalana miditra sy mivoaka ny araben’ny Fahaleovan-tena sy ny manodidina izay toerana hanaovana ny matso hanamarihana ny faha-60 taona niverenan’ny Fahaleovan-tenan’i Madagasikara. Raha nalalaka sy nadio ny teny afovoan-tanàna, naresaka sy feno fitohanan’ny fiara tany amin’ny faritra hafa tsy nihodinan’ny mpampiasa lalana sy namelaran’ireo mpivarotra ny entana hamidiny,hanaovan’ny mponina fety.
-

VAOVAO – MINUTE FLASH 23 JONA 2020
– SOSIALY – Nalefa nody any aminy ireo vehivavy avy any Koweit– FAHASALAMAM-BAHOAKA – Mety ho tafakatra hatramin’ny 1000 isan’andro ny isan’ny fitiliana ho vita eto Madagasikara– VALANARETINA – Avy eto Antananarivo avokoa ny 83 amin’ireo olona 84 voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus androany talata -

FAHASALAMANA – Hifaninana amin’ireo orinasa mpamokatra fanafody any ivelany ny Pharmalagasy hoy ny Filoha
Orinasa mpanamboatra fanafody afaka mifaninana amin’ireo orinasa any ivelany misehatra eo amin’ny tontolon’ny farmasia no heverin’ny filohan’ny Repoblika haorina eto Madagasikara.
Tonga ny alakamisy hariva teo ireo fitaovana hampihodinana io orinasa famokarana fanafody io. Tanjona hoy ny filohan’ny Repoblika tonga nitsena ireo fitaovana ireo teny Ivato ny hahafahana mamokatra fanafody hanasitranana izao tontolo izao. -

VAOVAO – Minute Flash 18 Jona 2020
– FAHASALAMANA – Tonga ny fitaovana entina manorina ilay ozinina fanamboarana fanafody nampanantenain’ny filoham-pirenena.
– VALAN’ARETINA – Niampy iray ny maty noho ny coronavirus, nisy 25 ireo tranga vaovao voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina.
– TOE-KARENA – 8% hatramin’ny 10% no heverin’ny governemanta ho tahan’ny zana-bola ho an’ireo orinasa madinika -

ENTREPRISE – La galère d’être PME et artisan en temps de Covid-19 Antananarivo, 18 Juin, 17h00
Les petites et les moyennes entreprises opérant dans l’artisanat subissent de plein fouet les effets de la pandémie de Covid-19. Elles essaient tant bien que mal de trouver les moyens de se sortir des difficultés générées par la crise sanitaire.
-

? PLAN D’URGENCE – Le gouvernement n’envisage nullement de subventionner les entreprises, selon Richard Randriamandrato
Antananarivo, 18 Juin, 15h00 – « Il est clair que le gouvernement n’a pas les moyens d’octroyer des subventions ». La déclaration de Richard Randriamandrato, ministre de l’Economie et des finances était claire mercredi à Iavoloha. « Surtout en ces temps difficiles », poursuit-il. « Nous n’avons pas les moyens de donner des subventions, que ce soit pour les travailleurs ou pour les entreprises ». Il n’y aura donc pas de subventions, ni pour les travailleurs qui auront perdu leur emploi, ni pour les petites et moyennes entreprises (PME), ni pour les micro-entreprises. D’ailleurs, « à qui en donner et à qui ne pas en donner », s’interroge-t-il.
Dans sa déclaration, le ministre en charge des Finances rappelle les mesures qui ont déjà été prises par l’Etat et qui sont censées soutenir les entreprises, tels que le report des échéances de paiement de certains impôts ou de la facture de la Jirama. Il soutient également que « les petites entreprises doivent apprendre à ne pas trop dépendre des aides de l’Etat ».
L’octroi de subventions a été l’une des demandes formulées au nom des petites et moyennes entreprises (PME) mercredi à Iavoloha par Andrianavalomanana Razafiarison, président du Groupement des opérateurs malgaches (Fivmpama – Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy). Celui-ci a cependant indiqué que « si l’Etat n’avait pas les moyens de donner des subventions, l’intérêt sur les prêts devrait être à moins de 5% ». -

VAOVAO – MINUTE FLASH 16 JONA 2020
– TETI-BOLA NASIAM-PANITSIANA – Fito alina tapitrisa ariary no heverina hamaliana ny fitakian’ny sendikan’ny mpampianatra sy hanomezana tambin-karama ny mpiasan’ny fahasalamana
– VALAN’ARETINA – Miampy roa ireo nindaosin’ny fahafatesana noho ny Covid-19, 27 ireo mitondra ny tsimokaretina vaovao
– COVID-19 – Olona telo no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus ao Mahajanga -

FANADINANA ANDRANA CEPE: Vonona hiatrika ny fanadinana famaranana ny fanabeazana fototra (CEPE) ny mpiadina, hoy ireo mpanabe
Fomba hamantarana ny fahavononan’ireo mpianatra hiatrika fanadinana ofisialy ny fanaovana fanadinana andrana. Fomba ihany koa ahafahana mahita raha vonona na tsia hampanao izany fanadinana izany ny rafitra isan-tsokajiny. Milaza ireo mpanabe fa amin’ny ankapobeny, na teo aza ny fisian’ny fihibohana sy ny fahamehana ara-pahasalamana dia vonona na ny mpianatra na ny rafitra hiatrika ny fanadinana ofisialy mamarana ny fanabeazana fototra.
-

Artesunate, fanafody efa fampiasa iadiana amin’ny ny tazo mahery no anaovana andrana hitsaboana ny Covid-19.
Fanafody avy amin’ny Artemisia, fampiasa amin’ny fitsaboana ny tazo mahery no hanaovana andrana eto Madagasikara hitsaboana ireo marary voan’ny Covid-19. Artesunate no anarany ary atsindrona amin’ny nofo na mivantana amin’ny lalan-dra no hanomezana azy ny marary. Samy andramana ny fiantraikany raha mandeha irery izy na raha ampiarahina amin’ny Vitamine C atsindrona. Mararin’ny Covid-19 manaiky an-tsitrapo sy ankalalahana ny andrana no tsaboina amin’ny Artesunate ary any amin’ny Tanàna Voara no andraisana azy ireo.