Ny andro ratsy tamin’ny fiandohan’ny taona 2020 no voalazan’i Joel Randriamandranto, minisitry ny Fizahan-tany sy ny fitaterana ary ny famantarana ny toetrandro fa antony somary nahatara ny asa natao teo amin’ny lakandranon’ny Pangalana. Miros anefa ny asa ary efa ampahany betsaka no vita, hoy izy nandritra ny fihaonany tamin’ireo loholona teny Anosy tamin’ny alatsinainy.
Étiquette : social
-

Nitondra voka-tsoa sy voka-dratsy ho an’ny tontolo iainana ny fihibohana
Nitombo ny doro ala saingy nihena ny fanondranana antsokosoko ny harenan’i Madagasikara. Nihatsara ihany koa ny rivotra niainana teto Madagasikara. Sady nitondra fiantraikany ratsy no nahitana lafy tsarany ho an’ny tontolo iainana ny fihibohana teto Madagasikara.
-

TSY TONGA NANAO TATITRA NY MINISTERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA
Tsy nisy ny tatitra nataon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa teo anoloan’ny antenimieram-pirenena ny alakamisy 04 may, fotoana tokony hanaovany izany. Nifanindran-dàlana indrindra tamin’ny fanafoanana ny fanendrenana ny ministra Rijasoa Josoa Andriamanana hitantana io ministera io.
-

TSENA – Iharan’ny sazy ireo mpivarotra tsy manaja ny fepetra ara-pahasalamana eny amin’ny tsena
Fikatonana hatramin’ny iray volana no azon’ny mpivarotra eny amin’ny tsena ankalamanjana raha tsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana voafaritra izy ireo. Niverina nisokatra tamin’ity herinandro ity ny tsena eny ankalamanjana isan-kerinandro raha nikatona efa ho roa volana izay. -

PODCAST – FOTO-DRAFITRASA : Hisy fahatarana ny fanamboaran-dàlana izay efa natomboka
Hisy fahatarana ny asa fanamboaran-dalana efa natomboka, toy ny any amin’ny lalam-pirenena faha-6 sy ny lalam-pirenena faha-13, hoy i Hajo Andrianainarivelo, minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, nandritra ny fihaonan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta sy ny loholona teny Anosikely, ny talata faha-2 Jona. Nilaza izy fa miankina amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany ny fanatanterahana izany asa rehetra izany.
-

CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 47
– Mahamasina : 7h45
– Antananarenina : 8h
– Behoririka : 8h15
– Ankorondrano : 8h30 -

PODCAST – KIANJAN’NY MASOANDRO : Azo atao tsara ny manorina foto-drafitrasa eo anivon’ny toerana manan-tantara
Nandritra ny fihaonan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta niaraka tamin’ny antenimieran-doholona ny talata 02 jona, dia nanambara i Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, fa azo atao tsara ny manorina foto-drafitrasa eo anivon’ny toerana manan-tantara hoy i Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Voarakitra ao anatin’ny “charte d’Athène” izany lalàna izany hoy izy.
-

TETI-BOLAN’NY GOVERNORA : Hasondrotra dimy lavitrisa ariary
Ao anatin’ny drafitry ny ministeran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ny fampiakarana ny teti-bolan’ireo governoran’ny faritra ho 5000 tapitrisa ariary ho an’ity taona ity. Mampametra-panontaniana ireo solombavambahoaka maromaro izany satria mbola tsy voafidy ireo governora miasa ankehitriny ary hanano sarotra ny fanaraha-maso izany vola izany.
-

PODCAST – FITATERANA : Ao anatin’ny programan’ny ministera ny famelonamana indray ny seranan-tsambo Ehoala ao Taolagnaro
Nanambara I Joel Randriamandranto, minisitry ny Fitateterana, ny fizahan-tany ary ny famantarana ny toetrandro nandritra ny fihaonana niaraka tamin’ny antenimieran-doholona fa hovelomina indray ny seranan-tsambo Ehoala ao Taolagnaro. Efa miasa amin’izany ny ministera amin’izao fotoana izao hoy izy.
-

Teratany malagasy arivo mahery tavela any ivelan’i Madagasikara
Teratany malagasy miisa 1 254 no tafahitsoka any ivelan’i Madagasikara raha ny tatitra navoakan’i Djacoba Liva Tehindrazanarivelo, minisitry ny Raharaham-bahiny, teny Ivato androany 02 jona. Tsy mazava tsara ny valintenin’ny fanjakana ny amin’ny fampodiana azy ireo. Nanamarika ny minisitra fa mila fiomanana ny fampodiana azy ireo.
