Étiquette : social

  • Nitaky ny mangaraharaha mikasika ilay raharaha vatomamy 8 000 tapitrisa ariary ny loholona

    Nitaky ny mangaraharaha mikasika ilay raharaha vatomamy 8 000 tapitrisa ariary ny loholona

    Nanamafy ny filohan’ny foibem-pibaikoana ny ady amin’ny covid 19 sady minisitry ny Atitany, Tianarivelo Razafimahefa, fa tsy nivoaka tamin’ny kitapom-bolam-panjakana velively ilay vola 8000 tapitrisa ariary voalaza fa nividianana vatomamy ho an’ny mpianatra misotro Covid Organics. Na izany na tsy izany anefa, misy ny fanadihadiana ataon’ny inspection générale de l’Etat sy ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly na ny Bianco, hoy ny minisitra misahana fanabeazana misolo toerana. Nitaky ny mangarahara sy ny marina rahateo momba iny raharaha iny ny loholona.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 11 JONA 2020

    VAOVAO – MINUTE FLASH 11 JONA 2020

    – CORONAVIRUS – Mihoatra ny 1200 ny isan’ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eto madagasikara
    – FANABEAZANA – Misy fanadihadiana mikasika ilay raharaha vatomamy 8000 tapitrisa miainga any anivon’ny Bianco sy any amin’ny Inspection générale de l’Etat hoy ny minisitra
    – TRANO MAY – Nirehitra ny tranon’ny orinasa mpanamboatra sigara tetsy Ambohimanambola

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 10 JONA 2020

    VAOVAO – MINUTE FLASH 10 JONA 2020

    – VALANARETINA : Nitombo iray ny isan’ireo maty
    – ANTENIMIERAM-PIRENENA : Nahemotra ny fifidianana izay ho solon’ny Thierry Rakotonarivo ao amin’ny CENI
    – FITSABOANA NY COVID-19 : Niverina naka CVO teto Madagasikara ny firenena Tsadianina, tsy fantatra na novidiana na natao fanomezana

  • TOETRANDRO – Hiakatra ny mari-pana manomboka amin’ny alakamisy

    TOETRANDRO – Hiakatra ny mari-pana manomboka amin’ny alakamisy

    Mbola hamirifiry ny hatsiaka rehefa maraina ato anatin’ny telo andro ho avy. Somary hiakatra kosa anefa ny mari-pana na izany aza, hoy ny avy ao amin’ny famantarana ny toetrandro. Hahatratra 19°C ka hatramin’ny 23°C ny mari-pâna ambony indrindra. 8°C kosa ny ambany indrindra aty afovoan-tany.

  • FIFANDRAISAN-DAVITRA – Gulfsat Madagascar no mpandraharaha faharoa mahazo manome tolotra « fibre optique »

    FIFANDRAISAN-DAVITRA – Gulfsat Madagascar no mpandraharaha faharoa mahazo manome tolotra « fibre optique »

    Tsy orinasa tokana intsony no mahazo manao tolotra « fibre optique » ahafahana mahazo Internet haingam-pandeha eto Madagasikara. Efa afaka misehatra eo amin’io tontolo io ankehitriny ny Gulfsat Madagascar raha ny nambaran’ny minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra. Ny hanamorana sy hanatsarana ny tolotra momba ny teknolojia vaovao no antony nandraisana izany fanapahan-kevitra izany, hoy izy.

  • FANABEAZANA Mandray anjara amin’ny fanalana fahasahiranan’ny ny sekoly ny fanampian’ny Agrikoba sy Agrifarm

    FANABEAZANA Mandray anjara amin’ny fanalana fahasahiranan’ny ny sekoly ny fanampian’ny Agrikoba sy Agrifarm

    Atody, koba kasaka ary kobam-bary no nozarain’ny sekoly tsy miankina Sainte Thérèse Ilanivato tamin’ny mpianatra tao aminy, ny mpampianatra, ny mpanabe ary ireo olona sahirana monina eny amin’ny manodidina ny sekoly. Ny fanampiana avy amin’ny Agrikoba sy Agrifarm no nahafahan’ity sekoly ity nifampizara tamin’ny manodidina azy. Toy ny ankamaroan’ny sekoly tsy miankina dia nisedra fahasahiranana ihany koa ny sekoly katolika Ste Thérèse tetsy Ilanivato vokatry ny fihibohona.

  • CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 52 Antananarivo 10 Juin 2020

    CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 52 Antananarivo 10 Juin 2020

    – Ankorondrano : 7h45
    – Behoririka : 8h
    – Mahamasina : 8h30
    – Andravoahangy : 8h45

  • CONFINEMENT : Le monde de la culture se met au numérique

    CONFINEMENT : Le monde de la culture se met au numérique

    La crise sanitaire a eu des impacts majeurs dans le domaine de la culture. Des galeries ont fermé leur porte et les artistes ne sont presque plus en contact direct avec leurs fans. Pour remédier à cette situation, les acteurs du monde culturel ont multiplié les offres numériques, afin de garder le contact avec leurs usagers.

  • APPUI AU SECTEUR PRIVE : Le gouvernement favorise les petites et moyennes entreprises au détriment des grandes entreprises

    APPUI AU SECTEUR PRIVE : Le gouvernement favorise les petites et moyennes entreprises au détriment des grandes entreprises

    Le gouvernement tranche dans le vif. Le plan de soutien qu’il est en train de préparer met l’accent sur l’appui aux petites et moyennes entreprises. Même s’il reconnaît que les grandes entreprises souffrent aussi de la crise sanitaire, celles-ci ont déjà leurs assises et disposent de suffisamment de fonds pour faire face, a soulevé Richard Randriamandrato, ministre de l’Economie et des finances devant le Sénat ce mardi.

  • CORONAVIRUS – Olona manodidina ny 60 natokamonina ao Brickaville

    CORONAVIRUS – Olona manodidina ny 60 natokamonina ao Brickaville

    Olona 56 tamin’ireo 59 nifanerasera tamina mpampiofana voamarina fa mitondra coronavirus no nanaovana fitiliana any Brickaville. Eo am-piandrasana ny valin’ny fitiliana dia efa natoka-monina izy rehetra ireo. Na izany na tsy izany, miahiahy fatratra ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana.