Catégorie : Actualité

  • FANKALAZANA NY PASKA – Mety hiemotra ny fankalazana izany

    FANKALAZANA NY PASKA – Mety hiemotra ny fankalazana izany

    Ny efatra aprily izao no hanao fanambarana ny filoham-pirenena ny amin’ny fanapahan-kevitra iatrehana ny valan’aretina coronavirus. Noho izay dia mbola mety hitohy ny fikatonan’ireo trano fivavahana rehetra nohon’ny tsy fahafahana mamory olona. Hoan’ireo mpino kristiana dia afaka herinandro dia hankalaza ny Paska izy ireo. Nanao fanambarana noho izany ny filohan’ny Fiangonana loterana malagasy na FLM ny pastora David Rakotonirina ny amin’ny mety hiemoran’ny fankalazana ny Paska.

  • MINUTE FLASH 03 APRILY

    MINUTE FLASH 03 APRILY

    – CORONAVIRUS : OLONA 6 VAOVAO INDRAY NO FANTATRA FA MITONDRA NY TSIMOKARETINA

    – CORONAVIRUS : MBOLA MIHATRA NY « ETAT D’URGENCE SANITAIRE » HO AN’ANALAMANGA, TOAMASINA I SY II

    – CORONAVIRUS : IRAY TAPITRISA MAHERY IREO VOA MANERAN-TANY

  • TSENAN’ANOSIBE : Mahatsiaro sahirana ireo mpibata entana

    TSENAN’ANOSIBE : Mahatsiaro sahirana ireo mpibata entana

    Anisan’ny olona tena sahirana amin’izao fotoanan’ny fihibohana izao ny mpibata entana na « dockers ». Mitaraina izy ireo noho ny tsy fisiana’ny asa. Miandrandra fanampiana ihany koa izy ireo amin’izao fotoan-tsarotra izao.

  • CORONAVIRUS : CONFINEMENT JOUR 12

    CORONAVIRUS : CONFINEMENT JOUR 12

    Antananarivo 03 Avril – 13h00
    – Ambohijatovo 08h30
    – Ampasanimalo 08h45
    – Antsakaviro 08h45
    – Mausolée 09h
    – Météo 09h
    – Nanisana 09h10
    – Anosibe 09h30
    – Ambohijatovo 11h
    -Ambodivona 11h40

  • TARATASY : Misokatra ho an’ireo izay mila taratasy maika ny kaominina sy ny fokontany

    TARATASY : Misokatra ho an’ireo izay mila taratasy maika ny kaominina sy ny fokontany

    Tsy ireo olona hiroso amin’ny fanambadiana ihany, fa ireo izay mikarakara taratasy ihany koa dia misedra olana amin’izao andron’ny fihibohana izao. Nanambara ny avy eo amin’ny kaominina sy ny fokontany fa ireo taratasy izay ilaina maika ihany no karakarain’ireo tompon’andraikitra.

  • CONFINEMENT JOUR 12 : Antananarivo ville morte … ou presque

    CONFINEMENT JOUR 12 : Antananarivo ville morte … ou presque

    Antananarivo 02 avril 2020,
    Découvrir le centre ville sous confinement dans l’après-midi.

  • MINUTE FLASH : 2 AVRIL 2020

    MINUTE FLASH : 2 AVRIL 2020

    – CORONAVIRUS : 59 ireo voamarina fa mitondra ny tsimok’arerina
    – TOETR’ANDRO : Misy rivodoza niforona ao amin’ny Ranomasimbe Indiana
    – FITILIANA FAOBE : Telo tamin’ireo voatily tamin’ny TDR no voamarina fa mitondra ny Covid-19

  • SERVICES DE LIVRAISON : Les courses impactées par le Coronavirus.

    SERVICES DE LIVRAISON : Les courses impactées par le Coronavirus.

    Les prestataires de services vivent très mal le confinement. C’est surtout le cas pour les opérateurs proposant un service de « transport de personnes ». Zarive et En2roues, deux opérateurs connus dans cette branche d’activité enregistrent une forte baisse du nombre de leurs courses. Pas question cependant pour les responsables de ces entreprises de baisser les bras. Témoignages.

  • FIHIBOHANA : Very asa ireo mpisehatra ara-kolotsaina

    FIHIBOHANA : Very asa ireo mpisehatra ara-kolotsaina

    Miteraka voka-dratsy amin’ny sehatr’asa maro ity fihibohana ity noho ny coronavirus ity. Ireo mpisehatra eo amin’ny lafiny ara-kolotsaina dia anisan’ny misedra fahasahiranana tokoa. Miezaka anefa izy ireo manararaotra izao fotoana izao hamoronana sangan’asa vaovao.
    Mijoro vavolombelona ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny kanto sy ireo mpanakanto.

  • MPIVAROTRA ENY ANALAKELY : Mitaraina noho ny tsy fisian’ny mpanjifa

    MPIVAROTRA ENY ANALAKELY : Mitaraina noho ny tsy fisian’ny mpanjifa

    Antananarivo 02 aprily – 8 sora 30
    Herinandro mahery taorian’ny fiantombohan’ny fihibohana teto Antananarivo, mitaraina nohon’ny tsy fisian’ny mpanjifa ireo mpivarotra, toa an’i Nambinina Razanadrazaka, mpivarotra legioma eny Analakely manodidina ny « Pavillon ». Nilaza izy fa nahena amin’ny antsasany ny sakafo ao an-tokatrano noho ny tsy fisian’ny tsena.