Catégorie : Social

  • CORONAVIRUS : Mbola misy ireo olona manohy fihibohana

    CORONAVIRUS : Mbola misy ireo olona manohy fihibohana

    Amin’izao fotoana izao, misy ireo olona no mbola misafidy ny hanohy ny fihibohana manoloana ny zava-misy. Tafiditra ao anatin’izany i Mbolatiana, mpivarotra iray izay milaza izy fa noho ny fisian’ny olona manana toe-pahasalamana marefo ao an-tokan-tranony no anton’izany.
    Eny anivon’ny toeram-pianarana ihany koa dia manambara fa manaja izay fanampahan-kevitra raisin’ireo ray aman-dreny ny amin’ny andefasany na tsia ny zanany hiverina an-tsekoly.

  • TSENA – Milaza ho sahirana ireo mpivarotra kojakoja fampiasa amin’ny andavanandro

    TSENA – Milaza ho sahirana ireo mpivarotra kojakoja fampiasa amin’ny andavanandro

    Noho ny fikatonan’ny sisin-tany, dia mikatso ny fanafarana ny sokajin’entana sasan-tsasany avy any ivelany. Anisan’ireo mahatsiaro sahirana noho izany ireo mpivarotra kojakoja an-davan’andro sy ny « friperie ».

  • FANADINANA BACCALAUREAT : Mitohy ny fametrahana antontan-taratasy fisoratana anarana

    FANADINANA BACCALAUREAT : Mitohy ny fametrahana antontan-taratasy fisoratana anarana

    Nahemotra ny daty fametrahana atontan-taratasy hoan’ireo izay hanala fanadinana bakalorea, hoy ny nambaran’ny profesora Jean François Rajaonarison, Talen’ny Fampianarana ambony eo anivon’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Tsy mbola fantatra kosa anefa hoe hatramin’ny rahoviana no hotohizana izany fisoratana anarana izany.

  • CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 11

    CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 11

    – Ampasapito : 10h
    – Avaradoha : 10h10
    – Betongolo : 10h20
    – Besarety : 10h40
    – Rasalama : 10h40
    – Ambondrona : 11h
    – Mahamasina : 11h20
    – Analakely : 12h
    – Behoririka : 12h30
    – Antanimena : 13h

  • COVID ORGANICS – 11 500 doses offertes par Madagascar à la Guinée Equatoriale

    COVID ORGANICS – 11 500 doses offertes par Madagascar à la Guinée Equatoriale

    Antananarivo 29 avril, 15h10, l’avion affrété par la Guinée Equatoriale atterrit sur le tarmac de l’Aéroport international d’Ivato. La délégation équato-guinéenne, conduite par le vice-ministre de la Santé, Mitoha Ondo’o Ayekaba est venue récupérer 11 500 doses de « Tambavy » Covid Organics offertes par l’Etat malgache.
  • FANAOVANA ARO VAVA AO AN-DAKILASY

    FANAOVANA ARO VAVA AO AN-DAKILASY

    FANAOVANA ARO VAVA AO AN-DAKILASY – Misy milaza ireo mpanabe fa tsy tokony ho voasakana ny fifantohan’ireo mpianatra

    Misy amin’ireo mpianatra no mitaraina fa sempotra, voahelingelina ny fifandrenesana ao an-dakilasy, amin’ny fanaovana ny aro vava. Tsy maintsy miteny mafy na ireo mpianatra na ireo mpampianatra hoy i Rina Henintsoa Rajerisoa, mpampianatra.
    Miaiky koa anefa i Marcel Oscar Onjatiana, talen’ny Sekoly Saint Joseph Mahamasina fa misy amin’ireo mpianatra no variana nohon’ny fanaovana aro vava, kanefa tokony hizatra izy ireo.

  • FITATERANA : Milaza ho maty antoka ireo taxibe

    FITATERANA : Milaza ho maty antoka ireo taxibe

    Herinandro mahery izay no niverina niasa ireo fiara fitateram-bahoaka. Misy ireo fepetra manokana noraisin’ny tompon’andraikitra amin’izany. Manoloana izany indrindra dia nanontany ireo miasa amin’ity sehatra ity izahay, hahafantarana ny fomba iainan’izy ireo izany.
  • CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 10

    CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 10

    – Mahamasina 9h
    – Ambohijatovo 9h10
    – Bel’air 9h25
    – Anjanahary 9h30
    – Andravoahangy 10h
    – Ankorondrano 10h50

  • SARAM-PIANARANA : Samy manana ny fandaminany ireo sekoly

    SARAM-PIANARANA : Samy manana ny fandaminany ireo sekoly

    Anisan’ny mampifanolana ny raiaman-dreny sy ny tompon’andraikitry ny sekoly ny fandoavana saram-paianarana mandritra ny fotoanan’ny fihibohana. Na dia eo aza ny fotoana fohy tsy nakanesana any am-pianarana dia tsy maintsy aloha ny karaman’ny mpampianatra. Mila mifandamina noho izany ny sekoly sy ireo ray aman-dreny.

  • FANALEFAHANA NY FIHIBOHONA : Mirongatra ny tsy fandriampahalemana

    FANALEFAHANA NY FIHIBOHONA : Mirongatra ny tsy fandriampahalemana

    Toeram-pivarotana iray tetsy Andavamamba no notafihan’ny andian-jiolahy ny alin’ny alatsinainy 27 aprily ka naharatrana tovolahy iray. Miaiky ny avy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana fa mitombo indray ireo asan-jiolahy taorian’ny fotoana fihibohana.