Araka ny fanambaran’I Pastora Dr RAKOTONIRINA David, manan-tsafidy ireo fiangonana ny amin’ny hisokafana na tsia ny fiangonana. Tsy manana olana ny amin’ny fanam-pahan-kevitra mahasoa hitan’ireo fiangonana tsirairay mahasoa izy fa kosa manaja ireo fepetra ara-pahasalamana mipetraka hisorahana ny valan’aretina coronavirus.
Nitarika resabe tamin’ny tambazotran-tserasera ny fizarana ny Covid organics any an-tsekoly. Misy ireo ray aman-dreny no miahiahy ny amin’ny mety ho fiantraikan’ity tambavy ity amin’ny fahasalaman’ny zanany. Nanatona sekoly vitsivitsy izahay ahafantarana ny fandaminana apetrak’ireo tompon’andraikitra.









