Maro ireo olona monina eto andrenivohitra no tsy manana rano any an-tokantrano ka tsy maintsy matsaka eny anivon’ny pompe. Amin’ny 12h00 anefa no farany fangalana izany rano izany, ka mifandamina araka izay vitany ny mponina.
Catégorie : Social
-

Mpitarika sarety – Manohy ny asany andavan’andro
Isan’ny mampiaina ny tsena eto Antananarivo Renivohitra ireo mpitarika sarety. Fianakaviana maro no mivelona ao ambadik’ity asa ity. Amin’izao fiparitahan’ny valan’aretina coronavirus izao dia mbola nanohy ny asany andavan’andro izy ireo ny marainan’ny 27 Martsa.
-

TSENAN’ANOSIBE : Manomboka miverina amin’ny laoniny ny vidin’entana
Antananarivo 27 martsa
Efa mihabetsaka ireo vokatra tonga eny amin’ny tsenan’Anosibe raha araka ny filazan’ireo mpivarotra ny zoma 27 martsa. Noho izay dia manomboka miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny vidin’entana. Mitaraina kosa anefa ireo mpivarotra satria tsy misy ny mpividy.
-

CORONAVIRUS : Confection de masques, un business qui rapporte. Antananarivo, 26 Mars 2020.
Alain, confectionneur, a décidé de se lancer dans la fabrication de caches-bouche ou de masques. Cet artisan affirme que c’est sa façon à lui de contribuer à la lutte contre le coronavirus.
-

FISORATAM-PANAMBADIANA : MALALAKA NY SAFIDY HO AN’IREO MPIVADY VAO
Antananarivo, 26 martsa 2020
Na dia eo aza ny fihaniky ny aretina “coronavirus”, dia manana safidy malalaka ireo mikasa hanorina tokantrano, ny amin’ny hanatanterahana na ny hanemorana ny raharaha. Ho an’ireo nisafidy ny hiroso amin’ny fisoratam-panambadiana dia misy ireo lamina tsy maintsy arahana.
-

CORONAVIRUS : Hanomboka tsy ho ela ny fanampiana hoan’ireo marefo.
Mpamily fiara karetsaka, mpamily taxi-be, mpivaro-tena, beantitra,… Eo amin’ny dingan’ny fandraisana anarana ireo olona nosokajiana fa marefo izao ny fitondram-panjakana ahafahana mizara ny fanampiana nampanantenain’ny filoham-pirenena.
-

MPIVAROTRA ENY MAHAMASINA : MIVAROTRA NOHO NY TSY FISIANA
Amin’ity andro alakamisy ity (26 martsa 2020), izay andron’ny tsena isan-kerinandro ho an’i Mahamasina dia misy ireo mpivarotra nanohy ny asa fivelomany. Na dia miditra ao anatin’ny andro fahefatra amin’ny fihibohana aza Antananarivo dia mikiry mivarotra izy ireo nohon’ny tsy fisiana. -

VOKATRY NY FIHIBOHANA : Lasa mivarotra sakafo ny ankamaroan’ny mpivarotra
Mpitana Taxiphone i Lala amin’ny andavan’andro. Noho ireo fepetra noraisin’ny fanjakana manoloana ny fihanaky ny aretina coronavirus dia nivarotra ovy indray izy, satria izay no azo atao amin’izao fotoana izao. Izany no ahafahana mamelona ny fianakaviana amin’izao fotoana fihibohana izao.
-

TSENA MORA : MANALEFAKA NY MPONINA NY FISIAN’NY TSENA
Misy ireo olona tsy afaka manangona sakafo hoan’ny roa herinandro, ka milahatra tsena mora eny anivon’ny fokontany. Miezaka mandamina azy ireo ny tomponandraikitra, na dia izany aza mbola misy ny tsy fifanarahana

