Nanainga androany (05 febroary) ireo fiarabe miisa 06 avy amin’ny BNGRC, nalefa hitatitra ireo fanomezana rehetra voaray avy tamin’ny mahalala-tànana hoan’ireo traboina nohon’ny andro ratsy. Mahatratra 90 taonina ny entana ho tanterina, ary faritra miisa roa izay mbola tsy nahazo fanampiana mihitsy, no hiantefan’izany dia i Sofia sy Boeny.
Catégorie : Social
-

CORONAVIRUS : MANGATAKA NY HAMPODIANA IREO MPIANATRA MALAGASY ANY CHINE IREO RAY AMAN-DRENIN’IZY IREO
CORONAVIRUS – Manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus, dia mangataka ny fitondram-panjakana ireo ray aman-dreny manan-janaka mianatra, sy miasa any Chine, ny hampodiana ireto farany. Vonona ny hanaraka ny fitsipika hapetraky ny sampan-draharaha misahana ny fahasalamana izy ireo rehefa tody soa aman-tsara eto an-tanindrazana ireo havany. -

HO HAVOAZINA NY LALÀNA MIFEHY NY MPIASA AN-TRANO SY NY MPIASA MILA RAVINAHITRA
HO HAVOAZINA NY LALÀNA MIFEHY NY MPIASA AN-TRANO SY NY MPIASA MILA RAVINAHITRA – Notontosaina omaly, 04 febroary, teny Antaninarenina, ny atrik’asa hoentina hanatsarana ny lalàna mifehy ny asa eto Madagasikara, indrindra ireo lafiny mahakasika ny mpiasa an-trano sy ny mpiasa mila ravinahatra. Ny fiarovana ireo mpiasa sy ny fanatsarana ny tontolon’ny asan’izy ireo no tanjona amin’izany, ary koa mba hahafahan’izy ireo misitraka asa mendrika sy mahavelona.
Ny fanjakana malagasy, ny OIT na « Organisation Internationale du Travail » ary ireo mpiara-miombon’antoka avy ao amin’ny fiarahamonim-pirenena no miara-misalahy amin’ity atrik’asa ity. Mitondra fanazavana mahakasika izany i Botodia Rémi Henri, Sekretera Jeneralin’ny SEKRIMA (Sendika Kristianina Malagasy) sady Mpandrindra nasionalin’ny CTM (Conférence des travailleurs Malagasy).
Marihana fa i Madagasikara dia nanasonia ny Fifanarahana iraisam-pirenena momban’ny asa an-trano sy ny asa any ampitan-dranomasina, izay navoakan’ny OIT.
-

TAXIS-MOTO : LE COMBAT POUR LA FORMALISATION
TAXIS-MOTO CLANDESTINS – Le phénomène des Taxis-moto clandestins a tendance à se développer ces dernières années, notamment à Antananarivo.
De plus en plus de jeunes conducteurs se lancent dans cette activité. En effet, ils n’ont besoin que d’une moto pour se faire une place dans ce marché en forte croissance. Les problèmes des embouteillages au niveau des grands axes routiers de la capitale poussent les clients à faire appel à leurs services. La problématique légale de ce métier les pousse à rester totalement informels. Aujourd’hui, ces jeunes pilotes souhaiteraient voir leur activité formalisée. -

CUA – SAMVA : FANADIOVANA NY TATATRA ALOHAN’NY ROTSAKORANA
Ny SAMVA sy ny CUA no mifarimbona amin’ny fanalana tsentsina ny lakan-drano eto Antananarivo. Koa manatanteraka izany izy ireo amin’izao andro fahavaratra izao. Izany dia hitsinjovana ny fiakaran’ny rano. Tsy eny Besarety ihany anefa no anatanterahina ny asa fanadiovana fa hitohy eny amin’ny faritra maro eto andrenivohitra ny ezaka, hoy ny minisitra, Voahary Rakotovelomanantsoa, omaly 3 febroary.
-

FANABEAZAM-PIRENENA : TSY NY TETIANDRO NO OLANA
FANABEAZAM-PIRENENA – Tsy ny tetiandro no olana fa ny fomba fampianarana hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa, Andriamanana Rijasoa, omaly 31 janoary, taorian’ny famindram-pahefana tetsy Anosy. -

CORONAVIRUS : HISY FANAPAHAN-KEVITRA HO RAISINA AMIN’ITY FARANY HERINANDRO ITY
CORONAVIRUS – Nandritra ny fifamindram-pahefana teo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia nanambaran’ny Profesora Ahmad Ahmad, fa efa nisy tolo-kevitra maromaro nalefa tany amin’ny Praiminisitra omaly 30 janoary 2020, fepetra ho raisin’ny fanjakana mahakasika ny valan’aretina « Coronavirus ».
Ny Lehiben’ny governemanta no mandray ny fanapaha-kevitra mifandraika amin’izany alohan’ny faran’ny herinandro, hoy ny tenany. Nanome toky ny Minisitra fa hatao izay fomba rehetra tsy hidiran’ity aretina ity eto Madagasikara.
-

ARETINA CORONAVIRUS
ARETINA CORONAVIRUS – Tsy mbola nahitana trangan’aretina coronavirus eto Madagasikara. Manoloana ny fihanak’ity « virus » ity manefantany anefa dia manamafy ny fanaraha-maso, sy ny fiarovana, ny fitondrana malagasy. Olona miisa 92 tonga avy any Chine izao no arahi-maso akaiky ny fahasalamany.
-

COLLECTES ET DISTRIBUTION DE DONS PAR LE BNGRC
Le dernier bilan des intempéries fait état de 120.000 sinistrés. Le directeur général du BNGRC, Elack Olivier Andriankaja, a lancé un appel à la solidarité à l’endroit de toutes les structures susceptibles de venir en aide aux populations qui sont dans le besoin. Malgré le caractère urgent de ces sinistres, le BNGRC est la seule structure autorisée à distribuer des vivres ou à apporter des dons aux populations concernées.

