Catégorie : Opinions

  • VANF ANTRANONKALA – Tandrin’ny Ministera ve ?

    VANF ANTRANONKALA – Tandrin’ny Ministera ve ?

    Ny fifanajana, na ara-poko, na ara-pihaviana, na ara-pivavahana, na ara-poto-kevitra, dia samy zanaky ny sanatria intsony nanenika izao tontolo izao taorianan’ny Ady Lehibe 39-45 : naratra ny vatana, ratsy ny saina, rombina ny fanahy maha-olona. Sanatria intsony !

    Lohateny somary nanaitra, ary natao hanaitra, no nomen’i Francis Fukuyama ny bokiny hoe «Faran’ny Tantara» (1992) izay tsy inona fa izao marimaritra iraisana toa metimety amin’izao tontolo akehitriny izao : tsy misy firenena ka tsy milaza ho mandala ny demokrasia, tsy misy Nosy intsony ka tsy nitsobo-drano tamin’ny Fanantontoloana, ary lalàn’ny tolotra sy ny tinady tanteraka no mamehy ny tsena iraisam-pirenena.

    Teto Madagasikara, raha ny sehatry ny Fivavahana, izany «Faran’ny Tantara» izany dia marimaritra nanodidina ny nanaovana batisa kristianina ny Mpanjaka Ranavalona II sy ny Praiministra Rainilaiarivony tamin’ny 1869. Noho ny «Rebik’Ondry» dia nanaraka ny Fivavahan’ny Andriamanjaka avokoa ny vohitra rehetra teto Imerina. Izay faritra nanendren’Antananarivo Governora dia nidiran’ny Fiangonana kristianina ihany koa. Tsy nanova zavatra firy tamin’izany ny fanjanahantany. Rehefa nanterin’i Gallieni sy ny mpandimby azy ny maha Renivohitra an’Antananarivo dia niakatra tsikelikely teto Andrenivohitra ny Karana silamo nivantana tam-boalohany tamin’ny morontsiraka andrefana. Dia nisy marimaritra hafa indray satria niara-nonina tsy nisy raorao, ry zareo Karana silamo rahateo tsy nanao fanamiana nisoratany tena imasom-bahoaka.

    Arahabaina ny Silamo eto Madagasikara noho ny Eid Mubarak. Ny fahendrena notsoahina tamin’ny antambon’ny 39-45 dia mandrisika antsika amin’izany fifanajana izany. Saingy, ny fifanajana tsy ialan’ny fahamalinana. Tandindon’ny fifanandrinana ilay marimaritra ara-pivavahana voatanisa teo, noho ny afitsoky ny firenena silamo sasany, tondroina amin’izany Arabia saodita, ary indrindra noho ny habibian’ny islamista bontolo saina, mahavita mandatsa-drà sy manakorontana fiaraha-monina, any amin’ny Tany arabo, any Afrika, any Eoropa, eny fa any amin’ny Nosy noheverina fa lavitra tahaka an’i Sri Lanka aza.

    Manaitra ny mahita ankehitriny irony vehivavy silamo misarontava tanteraka eto amin’ny araben’Antananarivo ; manaitra ny mahatsikaritra lehilahy silamo manao fitafy arabo any ambanivohitr’i Brickaville : iaraha-mahalala, fomban’ny firenena iza sy olona tahaka ny ahoana izany fihetsika izany. Tsy mba fomban’ny Karana silamo mantsy ireny : taranaka avy any Gojerat India ireo Karana ireo, ary efa hatramin’ny taonjato faha-18 no nonina teto Madagasikara. Na Silamo izy, na Hindo, dia mitonon-tena ho Malagasy rehefa mivahiny an-tanin’olona Andafy any, ary mitodi-doha miverina eto Madagasikara nahalatsahan’ny tavoniny izy ireny rehefa maty ka halevina na ho dorana. Vao naneho ampahibemaso izy ireo fa hiara-misalahy amin’ny Katolika rehefa hivahiny eto Madagasikara ny Papa François amin’ny 6 septambra.

    Malailai-ho-fonosina loatra ny Fivavahana ka tsy azo avela ho resak’izy samy mpivavaka fotsiny. Ny fifampitokisana tsy ialana fanaraha-maso. Tsinin’ny Fitantanan-draharaha eto Madagasikara mihitsy no tsy mba manana fanisam-bahoaka ara-poko sy ara-pivavahana. Fitaovana ireny fa tsy sanatria hoe fanavahana na fanilihina. Ny firenena britanika ohatra, izay isan’ny loharanon’ny demokrasia, dia mampanao matetika izany karazam-panisam-bahoaka izany. Fitaovana enti-mahafantatra, fitaovana enti-miomana, fitaovana enti-mandamina. Raha vao vita ny Ramadany, farany teo, dia nisy carnaval tampoka nanemitra ny arabe tetsy Mahamasina anefa ny fiarakodia rehetra nijanona nanaja ilay «Earth Hour» ho an’ny Tontolo iainana. Hatrizay hatrizay, izany Antananarivo izany dia fantatra foana fa vohitra Merina ary maro an’isa Kristiana : nisy marika nikisaka izany tao fa tsy tandrintandrina ? Hatramin’ny dimampolo amby zato taona nisian’ny Moske voalohany tao Nosy-Be, fantatra ihany koa fa ny Silamo Shiita no maro an’isa eto noho ny Silamo Sonita : nisy marika hafa nikisaka ihany koa ve fa tsy tandrintandrina ? Nahatsikaritra ary nahatandrina izany ve ny Ministeran’ny Ati-Tany, izay sady Ministeran’ny Antokompinoana ?

  • CHRONIQUE DE VANF – Le Ministère des Cultes est-il à jour ?

    CHRONIQUE DE VANF – Le Ministère des Cultes est-il à jour ?

    La tolérance des disparités raciales ou ethniques, la tolérance des différences religieuses, la tolérance des clivages idéologiques, plongent leur ressort psychologique dans les douloureuses épreuves, physiques mais aussi morales, de la guerre mondiale de 39-45.

    La «fin de l’histoire», célébrée par le livre de Francis Fukuyama (1992), est ce consensus de civilisation auquel notre Humanité est parvenue : la démocratie s’impose comme la norme politique, le multiculturalisme signe la mondialisation, le libéralisme régit une économie planétaire de marché.

    À Madagascar, la «fin de l’histoire» religieuse s’était établie autour de la conversion de la Reine Ranavalona II et du Premier Ministre Rainilaiarivony au Christianisme, en 1869. Cette officialisation a christianisé chaque village de l’Imerina mais également ouvert les régions sous administration de la Capitale aux missions presbytérienne, catholique, luthérienne, anglicane. La pénétration française dans les régions reculées de l’île ne bouleversera pas cette situation, mais la confirmation de la ville d’Antananarivo comme capitale conduisit les communautés Karana musulmanes, d’abord principalement établies sur le littoral occidental, à converger vers les hautes terres centrales. Là aussi, une «fin de l’histoire» s’était établie dans une cohabitation banalisée. D’autant plus banalisée qu’aucune excentricité vestimentaire ne s’inscrivit dans l’espace public.

    Eid Mubarak aux Musulmans de Madagascar. La philosophie acquise des leçons de 39-45 nous oblige à la tolérance. Mais, la tolérance n’exclut pas la vigilance. La question religieuse a récemment introduit de nouvelles lignes de fracture en raison du prosélytisme agressif de pays comme l’Arabie saoudite et de l’apparition d’un fanatisme islamiste qui ensanglante le Moyen-Orient, l’Afrique sahélienne, certaines villes européennes, voire une île aussi lointaine que le Sri Lanka.

    L’irruption de femmes en burqa et niqab, à l’aéroport d’Ivato comme dans les rues de la Capitale, ou de Musulmans à longue barbe et en robe de facture arabe dans les faubourgs de Brickaville, ne peut qu’interpeller quand on sait à quelle intolérance est associée ce rigorisme. Les Karana, dont les Chrétiens malgaches avaient l’habitude, n’affichaient pas cette «excentricité» vestimentaire, capillaire ou pileuse. Originaires du Gujerat, dans le Nord-Ouest de l’Inde, les Karana, Musulmans ou Hindous, sont établis à Madagascar depuis la fin du 18ème siècle. Ils se revendiquent tout naturellement Malgaches quand leurs enfants se distinguent à Harvard ou quand ils apparaissent dans Forbes et ils reviennent se faire enterrer ou incinérer au pays. Ils ont publiquement annoncé s’associer à la visite à Madagascar du Pape catholique François, à partir du 6 septembre 2019.

    La religion est une chose trop sérieuse pour être laissée aux seuls religieux. La confiance n’exclut pas le contrôle et il est préjudiciable que l’administration malgache se prive d’un outil comme le recensement ethnique et religieux. Un pays aussi civilisé que le Royaume-Uni tient à jour ce type de statistiques. Cet outil informe sur les changements qui s’opèrent dans une société et permet d’anticiper ou de réguler. Le carnaval improvisé par certains Musulmans dans les rues de Mahamasina (à l’heure où les autres automobilistes respectaient le Earth Hour) laisse supposer le déplacement d’un curseur dans la composition ethnique et religieuse d’une Antananarivo autrefois largement majoritairement merina et chrétienne. Un autre curseur en translation serait celui de la majorité musulmane, qui a toujours été chiite à Madagascar. De ces curseurs, et de tant d’autres, le Ministère de l’Intérieur, qui est également celui du culte, est-il à jour ?

  • VANF ANTRANONKALA – Manala bac

    VANF ANTRANONKALA – Manala bac

    D-Day : 75 taona lasa izay, nihazo ny morontsirak’i Normandie any Frantsa, ny andian-tafika lehibe indrindra tamin’ny tantaran’ny zanak’olombelona. Miaramila an’hetsiny, sambo mpiady an’arivony, fiaramanidina anjatony, hananika ny «Atlantikwall» (Tambohon’ny Atlantika) naorin’ny Alemana : 4000 kilometatra miala any atsimo andrefan’i Frantsa ka hatrany Norvezy. Roa arivo sy roa alina no nifamotoana tamin’ny fahafatesana, saingy tsy sorona maina fa vaky ny manda.

    Fa D-Day hafa no tiako resahana androany. Ilay zaza, toa vao omaly no nateriko tany amin’ny Maternelle, mantsy manala bac androany. Mandeha ny fotoana, tsy miandry antsika.

    «Tiantsika noho ny itiavany antsika ny zanantsika» hoy ilay poety frantsay Victor Hugo. Lalan’ny fiainana izany. Roambinifolo taona lasa angamba, toa notantanako izy, naterina T1. Fa nahatsikaiky nahamenamenatra raha mbola nanao azy mbola zaza aho androany. Izany tokoa ilay hiran-dry Mahaleo : «sondrian-tory mihevitra anao ho ankizy foana, hay moa ianao tonga taona».

    Asa ianareo, fa mahafalifaly ahy ny mahita ankizy marobe, mandeha irery na manao andiany, mihazo ny sekoly. Porofo velona ireny fa fiaraha-monina liam-pahalalana ny antsika. Io fianarana io, «vatsy tsy azo adino», no maha Homo sapiens antsika, fa tsy Amboanala na Babakoto.

    Eny e, toa ohatran’ny anaran-tsy very izany sisa ny baccalauréat satria toa tsy miteny intsony raha tsy Bac+4, +5, +10. Hatreto anefa aloha, raha tsy manana bac, tsy tafiditra Oniversite. Tamin’ny andro nahazoako Bac, tsy nampoiziko ny hafalian-dRainay : asa, tonga tokoa tamin’ilay hoe «izay adala no toa an-drainy». Fa ankoatra izay, sedra tsara lalovana io fanadinana

    Mahaleova retsy, ry «zanaky ny fahanteran’ny tany mifandimby», araka ny soratr’i Jean-Joseph Rabearivelo.

  • VANF ONLINE – D-Day du bac

    VANF ONLINE – D-Day du bac

    Le D-Day. Il y a soixante-quinze ans, les Alliés lançaient la plus vaste opération militaire de tous les temps avec le débarquement en Normandie. Prendre d’assaut frontalement le «Mur de l’Atlantique», 4000 km de fortifications construites par les Allemands depuis les côtes franco-espagnoles jusqu’en Norvège. Rendez-vous mortel sur les plages de Normandie en France, les moins éloignées des bases en Angleterre, mais également les plus densément bunkérisées.

    Mais, c’est d’un autre D-Day dont je vous cause aujourd’hui. L’enfant qu’hier encore, me semble-t-il, je déposais à la Maternelle passe son bac. Ce temps qui nous file entre les doigts m’en impose. Hier encore, demain déjà.

    «Nous aimons nos enfants bien plus qu’ils ne nous aiment», écrivait Victor Hugo. C’est ainsi, depuis la toute première fois que le cercle de famille s’est agrandi. Il y a une douzaine d’années, sans doute que je lui tenais la main, en route vers la Petite Section. Aujourd’hui, ce serait d’un suprême ridicule que je lui fasse seulement une accolade avant son entrée dans la salle d’examen. On a beau être kangourou, il y a des limites aux effusions.

    Le spectacle d’enfants allant, seuls ou accompagnés, sur le chemin de l’école m’a toujours réjoui. Quelque part, c’est l’indicateur d’une certaine idée de la civilisation. C’est par le savoir que nous sommes des Homo sapiens tandis que d’autres sont des Ourang-Outans ou des Lémurs Catta.

    Le bon vieux baccalauréat a beau être remis régulièrement en question, il n’en demeure pas moins un sésame vers d’autres connaissances toujours plus poussées. À mon époque, mon Pater l’avait obtenu par la procuration de son fils. Mieux qu’un couronnement gentiment désuet dans un monde L-M-Disé, un rite de passage.

    Va, toi, «fille des vieux mondes successifs», comme écrivait à son tour Jean-Joseph Rabearivelo.

  • VANF ANTRANONKALA – Ambaniandro tsy mila kisa fa sarotiny

    VANF ANTRANONKALA – Ambaniandro tsy mila kisa fa sarotiny

    Ny Rova, averina ihany, tsy trano sy lapa fotsiny, fa fasana indrindra koa. Misy razana nafenina ao, ary mbola misy taranaka velona ankehitriny.

    Tsy azo tsotsorina fotsiny hoe «Mozea» io sisa fa tsy Rovan’ny Andriana intsony. Gallieni no nanafoana ny Fanjakan’Andriana ary nandefa an-tsesi-tany ny Mpanjaka Ranavalona III, ny alin’ny 28 febroary 1897, saingy fantany tsara fa tsy inona izay taratasy miohatra amin’ny Tantara an-jaton-taona maro tsy ho voafafa an-tsain’ny olona anaty indray mi-pimaso. Izany no nanafongarany ireo Razana rehetra tao amin’ny Fitomiandalan’Antananarivo (Andrianjaka sy Andriamasinavalona no fantatra indrindra), ny tany Ambohimanga (Andrianampoinimerina sy Ranavalona I no fantatra indrindra), ary ny tao Ilafy (Radama II), ka io nakisany nianavaratra io ny Fitomiandalana tamin’ny 14 marsa 1897.

    Na nafindra aza anefa ny Razana, na nodorana aza ny Rova, misy vovok’Andriamasinavalona sy ny taranany ao Anatirovan’Antananarivo. Tamin’ny 31 oktobra 1938, rehefa nampodiana an-Tanindrazana ny taolambalon-dRanavalona III izay niamboho tany Alger ny taona 1917, dia nakarina ihany koa tao Anatirova. Ny gazety frantsay tamin’izany andro izany dia samy nanipika avokoa fa tomefy olona ny lagara Soarano sy ny lalana nolalovan’ny Razana hatrany Anatirova. Vahoaka tonga nanome haja farany ny Mpanjakany, na nisy Gallieni na tsy nisy Gallieni.

    Rehefa may ny Rova, tamin’ny 6 novambra 1995, ny taranaka no nandray an-tanana ny fananganana ny Fasana. Tahaka ny maha-sarotiny ny fianakaviana malagasy rehetra amin’ny fasan-drazany.

    Tokony dinihina tsara fa tsy tsotsorina fotsiny ihany koa izay hanaovana ny Lapan’i Manjakamiadana sy izay zavatra ho aranty amin’izay mozea kasaina ho ao. Misy vinavina hoe ho sokafana amin’ny faritra 22 : ahoana moa no tsy hahataitra amin’izany !

    Rova eto Imerina io Rova io. Tao no niaina ireo Mpanjaka nanaraka ny sori-dalan’ny «Ranomasina no valam-paria». Iaraha-mahalala fa amin’ny faritra maro any Anindran-tany any dia misy toerana lazaina fa «fady Ambaniandro». Ny Ambaniandro tsy mila kisa amin’izany ka maninona ny Rovan’ny Ambaniandro no hanafangaroana vakoka tsy azy, tahaka izay efa safobemantsina ao amin’ny Rovan’Ilafy ? Ny any Antemoro ve hanaiky, ny any an-tSakalava ve hankato, raha terena haiditra amin’ny toerana saro-pady any ny zavatra avy aty Imerina ? Aleo ny isam-paritra hirehareha amin’ny vakoka azy, ka hanararaotana hananganana mozea isam-paritra, mba tsy hilazana indray fa mivangongo eto Antananarivo daholo ny zava-drehetra.

  • VANF ONLINE – Une nécropole n’est pas que musée

    VANF ONLINE – Une nécropole n’est pas que musée

    Le Rova, tout Rova, n’est pas qu’un ensemble de palais. C’est surtout une nécrolope royale, dont les descendants sont bien présents.

    C’est un abus de langage que de simplifier le Rova en musée républicain. Gallieni avait aboli la royauté merina, et envoyé en exil la Reine Ranavalona III, mais il savait bien que son décret du 28 février 1897 ne serait qu’un bout de papier sans la violence symbolique de la profanation du 14 mars 1897 quand il fit exhumer les rois d’Antananarivo enterrés au Fitomiandalana pour les transporter plus au Nord, et qu’il viola la sépulture d’Andrianampoinimerina et de Ranavalona 1ère à Ambohimanga pour les convoyer à Antananarivo.

    La double profanation, celle de 1897 et celle de l’incendie de 1995, n’empêche pas l’empreinte symbolique des cendres d’Andriamasinavalona et de ses descendants d’imprégner le Rova d’Antananarivo. Les journaux français avaient noté le profond recueillement des Malgaches venus en grand nombre accompagner la dépouille de Ranavalona III, morte en exil à Alger en 1917, et rapatriée au Rova le 31 octobre 1938. Le décret d’abolition de Gallieni n’a pas abrogé les sentiments des sujets de la Reine.

    En 1995, au lendemain de l’incendie, les descendants des souverains ensevelis à Anatirova se sont investis pour la restauration des tombes. Comme aurait fait chaque famille malgache s’agissant de la tombe ancestrale.

    Aujourd’hui, on entend dire que le projet muséologique au palais de Manjakamiadana comportera une salle des 22 régions ! En ce Rova d’Antananarivo avaient vécu les rois et reines qui accomplirent la mission assignée par Andrianampoinimerina de «ranomasina no valam-paria» : la mer comme limite de nos rizières. Depuis, de nombreux sites hors d’Imerina sont «fady Ambaniandro», interdits aux Merina. Les Merina acceptent cet interdit, mais pourquoi on imposerait aux Merina la présence d’objets usuels ou cultuels qui ne sont pas leurs ? Je me demande si les Antemoro de Vohipeno, les Sakalava du Menabe ou du Boina, accepteraient que leur Rova soient traités comme l’est le Rova d’Ilafy qui accueille une collection hétéroclite d’objets collectés aux quatre coins de l’île… Ces objets serviraient tellement mieux à l’édification des populations qui en sont les propriétaires et ce serait une occasion de conjurer la centralisation dont on accuse régulièrement la Capitale en décentralisant les collections.

  • MAGIE MAGIE, LE DÉPUTÉ A DU GÉNIE

    MAGIE MAGIE, LE DÉPUTÉ A DU GÉNIE

    Ils seraient actuellement 4 candidats sous mandat de dépôt, clairement donc derrière les barreaux, à pouvoir potentiellement être élus députés. À en croire la déclaration du vice-président de la CENI, Thierry Rakotonarivo, si le choix des urnes leur serait favorable, selon la loi, c’est leurs noms respectifs qui seraient annoncés le jour des résultats.

    La crédibilité des politiciens, des représentants du peuple siégeant à la chambre basse, passés par la case prison, pose une réelle problématique de représentation de l’éthique politique. Certes, seule une condamnation définitive de la justice permettrait de juger une personne coupable, mais dans un pays digne de ce nom, personne ne continuerait à faire campagne depuis sa prison (même avec un appui extérieur), ou même oser demander à avoir une liberté provisoire pour mener propagande… sans un espoir d’immunité parlementaire.

    « Magie magie, le député a du génie » pourrait-on même dire. Sans être du niveau créatif de Disneyland, on a quand même de la suite dans les idées à Madagascar…

  • VANF ANTRANONKALA – Resaka Klopp

    VANF ANTRANONKALA – Resaka Klopp

    Ahitana ny maha olombelona ny baolina kitra indraindray. Tsy resaka baolina fotsiny ohatra ny fandresen’i Jurgen Klopp, mpanazatra an’i Liverpool, tamin’ny Ligue des Champions farany teo.

    «Poulidor du football» no nanomboka niantsoan’ny mpanao gazety an’i Klopp satria lalao famaranana enina misesy no veriny : DFB Pokal 2014 sy 2015, League Cup 2016, Europa Ligue 2016 ary indrindra Ligue des Champions 2013 sy 2018. Manginy izy mbola faharoa fotsiny indray tamin’ny championnat anglisy farany teo anefa nahazo isa 97 ary tsy resy afa-tsy indray mandeha tamin’ny lalao 38. Misy efa niteny mihitsy hoe voaozona Ingahy io.

    Isan’ny lalao famaranana Ligue des Champions natsatso indrindra angamba iny Liverpool-Tottenham iny, ary tsy azo an-tsaina mihitsy hoe iny Liverpool mikorontandrotana iny ve ilay Liverpool nahavita «remontada» nandresy 4-0 an’i Barcelone sy Lionel Messi. Klopp anefa no nandrasan’ny rehetra kendry tohana ka na izay hoe Ligue des Champions faha enina ho an’i Liverpool aza toa lasa ambin-dresaka.

    Mahagaga fa nampatsiahy ahy lalao hafa, famaranana hafa, olona hafa, ny zava-bitan’i Klopp ny sabotsy teo. Roapolo taona lasa katroka, ny 6 jiona 1999, izay André Agassi vao mba nibata ny amboara tao Roland-Garros rehefa resy foana, 1990 sy 1991. Izay roalahy tsy nety kivy ve, ny volon’i Agassi tsy mibango ve, ny short rovitra nanaovany ve, no mampatsiahy ahy ny volombava tsy miharatr’i Klopp, na ny akanjony survêtement foana raha manao lobaka sy palitao ny ankabeazan’ny mpanazatra malaza, fa ohatran’ny mitovy izany ny vi(n)tan’izy roalahy.

  • VANF ONLINE – Klopp-erfield

    VANF ONLINE – Klopp-erfield

    Le foot est une histoire d’hommes. La victoire de Jurgen Klopp avec Liverpool en Ligue des Champions relève de bien plus qu’une anecdote footballistique.

    C’est que l’homme, avant cette consécration, avait hérité du surnom moqueur de «loser magnifique». Finaliste malheureux de la même Ligue des Champions en 2013 et 2018, finaliste malheureux de la Ligue Europa en 2016, deuxième de Premier League avec le meilleur bilan qu’un second du championnat anglais ait jamais réalisé en 2019. En tout, l’entraîneur allemand avait perdu six finales de rang : finales de la Coupe d’Allemagne 2014 et 2015, finale de la League Cup d’Angleterre en 2016.

    La finale contre Tottenham a été d’une insipidité sans nom, mais l’essentiel était ailleurs. Personne n’avait relevé que le Liverpool de la finale était loin en deçà de la merveilleuse équipe qui avait remonté trois buts au Barcelone de Lionel Messi avant de finalement se qualifier pour cette finale. Un sixième sacre européen pour Liverpool paraissait même secondaire tant le monde entier scrutait Klopp qui jouait sa réputation sur un match après n’en avoir perdu qu’un seul sur les 38 du championnat anglais. Cruel, le football de haut niveau.

    Cette tension humaine m’avait rappelé une autre finale, un autre sportif, un tennisman cette fois. C’était en 1999, un six juin. André Agassi disputait sa troisième finale à Roland-Garros et se savait attendu après avoir perdu ses deux précédentes finales (1990, 1991) Porte d’Auteuil. Cette année-là, André Agassi devenait le premier joueur à avoir remporté les quatre tournois du Grand Chelem et reste à ce jour le seul joueur à avoir gagné, outre les quatre levées du Grand Chelem, les Jeux Olympiques, le Masters et la Coupe Davis. Est-ce la persévérance dans l’adversité, ou les cheveux ébouriffés et les shorts flashy d’Agassi, mais il y a quelque chose de familier avec ce Klopp à la barbe hirsute et à l’éternel survêtement quand ses collègues soignent leur apparence.

  • INDÉPENDANCE D’AVENIR

    INDÉPENDANCE D’AVENIR

    La souveraineté et la fierté nationale seront certainement les mots clés de ce mois de juin. Cependant à l’approche du 60ème anniversaire de l’indépendance en 2020, la situation socio-économique, les crises politiques successives du pays, nous ramènent de fait à retourner sur le paradoxe de Madagascar.

    La première phrase de l’ouvrage « L’énigme et le paradoxe – Économie politique de Madagascar » est la suivante : « Avec un PIB par tête de moins de 400 dollars en 2016, et un taux de pauvreté monétaire abyssal (de plus de 90 % au seuil international), Madagascar est aujourd’hui l’un des pays les plus pauvres du monde. Pourtant, rien ne le prédestinait à un tel destin dramatique, bien au contraire. »

    Oui, Madagascar n’était pas destiné à tomber aussi bas après l’indépendance, surtout que « Madagascar est le seul pays qui s’appauvrit depuis soixante ans sans avoir connu la guerre ». Dans une interview de François Roubaud pour le journal le Monde en novembre 2017, il déclare que « Parmi les pays en voie de développement, Madagascar a suivi une trajectoire singulière. Depuis près de soixan­te ans, l’île n’a cessé de s’appauvrir, et rien ne semble pouvoir inverser cette tendance. Le revenu par habitant est inférieur d’un tiers à ce qu’il était au moment de l’indépendance alors que, dans le même temps, il a été multiplié par trois dans les pays d’Afrique sub­saharienne, dont les performances sont pourtant loin d’être mirobolantes. »

    L’indépendance de Madagascar ne serait-elle donc que théorique ? Dépendance aux bailleurs de fonds pour la santé et l’éducation ou les infrastructures par exemple, dépendance à l’importation par l’absence d’un tissu industriel compétitif, dépendance aux alliances diplomatiques historiques, dépendance monétaire, etc. Cela semble faire malheureusement référence à la phrase du Général de Gaulle en 1958 : « Madagascar est pays d’avenir et le restera »… Indépendance d’avenir pour la Grand île…