Catégorie : Politique

  • FANOKAFANA NY FIVORIANA MANOKAN’NY ANTANIMIERAMPIRENENA

    FANOKAFANA NY FIVORIANA MANOKAN’NY ANTANIMIERAMPIRENENA

    Natao teny Tsimbazaza ny talata 16 jolay 2019 ny fanokafana ny fivoriana manokan’ny Antenimierampirenena . Tonga nanatrika izany ny governemanta izay tarihin’ny Praiminisitra Christian Ntsay sy ireo solombavambahoaka miisa 151.

  • Tiako I Madagasikara

    Tiako I Madagasikara

    Nanatanteraka kôngresy lehibe ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) ny sabotsy 13 jolay lasa teo. Tamin’izany fotoana izany no nanambaran’ny Filoha nasionalin’ny TIM, Marc Ravalomanana, ny fahavononany hitarika ny hery mpanohitra ao amin’ny Antenimierampirenena. Nilaza koa ny tenany fa hanavotra an’Antananarivo amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ho avy io ny antoko tarihiny.

  • FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA

    FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA

    Na ny Fitsarana avo momban’ny lalàm-panorenana (HCC), na ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) dia mbola samy mbola misy ezaka tokony atao mba ahafahana mikarakara fifidianana madio sy mangarahara. Izay no nambaran’ny Stella Razanamahefa, avy ao amin’ny ivontoerana Sampana anarahamaso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), ny 11 jolay teny Ambatonakanga.

    Mahakasika ireo solombavambahoaka voafidy kosa dia notsindrian’ny Hery Rason fa noho ny 70 isan-jaton’izireo lany tamin’ny taham-pahavitriana latsaka ny 20% dia tokony hanatsara ny fahitan’ny olom-pirenena azy ireo ami’ny alalan’ny fangaraharana sy ny tamberin’andraikitra eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.

  • LALÀNA MIFEHY NY FIFIDIANA

    LALÀNA MIFEHY NY FIFIDIANA

    Misedra olana ny raharaham-pifidianana noho ny tsy fahatomombanan’ny lalàna mifehy izany hoy ny avy eo amin’ny Sampana anarahamaso ny fifiianana (SAFIDY). Tsy misy ny fifampiresahana sy fifampidinihina eo amin’ny mpisehatra rehetra tamin’ny famolavolana sy fandaniana azy. Vokany, marefo ny fomba fampiarana azy ary maro ny tsy fetezana.

  • VOKA-PIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA

    VOKA-PIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA

    Famoahana ofisialy ny voka-pifidianana solombavambahoaka natao teny Ambohidahy ny 02 jolay. Manoloana ireo fitarainana 664 voaray nandritra ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 mey, dia nanambara ny mpiandraikitra ara-tekinan’ny Ivontoerana Safidy, Stella Razanamahefa, ny tokony amoahan’ny Fitsarana avo momban’ny lalàm-panorenana (HCC) ireo ny mangarahara mahakasika ireo fitoriana ireo. Voalazan’ny Filohan’ny HCC kosa fa mbola mandeha ila ny lalàna mikasika ny fifidianana ka izay no mahasarotra ny fanasaziana ireo tsy kandidà tsy manara-dalàna.

  • MIJORO HO MPANOHITRA NY ANTOKO TIM

    MIJORO HO MPANOHITRA NY ANTOKO TIM

    Nametraka amin’ny fomba ofisialy ny maha antoko mpanohitra azy teny amin’ny ministeran’ny Atitany ny antoko Tiako i Madigasikara. Nanambara ny sekretera jeneralin’ny TIM, Olga Ramalason, ny 02 jolay teny Anosy, « Fa izao no natao mba ho fanarahana ny lalàna velona misy eto Madagasikara ». Nomarihiny koa fa ny fijoroana ho mpanohitra dia mba hahafahana manatanteraka ireo vinam-piarahamonina sy ireo programan’asa ary koa mba fampanjakana ny demokrasia.

  • FIFIDIANANA KAOMINALY

    FIFIDIANANA KAOMINALY

    CENI – Hiroso amin’ny fifidianana kaominaly na eo aza ny olona ara-bola.
  • COMPTE DE CAMPAGNE : Des candidats hors-la-loi aux législatives

    COMPTE DE CAMPAGNE : Des candidats hors-la-loi aux législatives

    La situation est ubuesque. Nombreux sont les candidats, à la députation du 27 Mai, à ne toujours pas montrer patte blanche quant au respect de la loi. Ils n’ont pas fait l’effort de se conformer aux dispositions légales, concernant la nomination d’un trésorier de compte de campagne. Les lacunes dans le texte n’arrangent pas la situation.

    Selon une source autorisée, près de 380 candidats ou listes de candidats aux législatives n’ont pas désigné leur trésorier de compte de campagne. Il sont donc près de 45 % des 810, à ne pas respecter les dispositions légales, du moins jusqu’à la proclamation de la tendance des résultats par la Commission électorale nationale indépendante (CENI). Rado Milijaona, président de la Commission de contrôle du financement de la vie politique (CCFVP), certifie que les prétendants au poste de député qui n’ont pas présenté leur compte de campagne sont effectivement « des candidats irréguliers ». Il rappelle par ailleurs que « la présentation des comptes de campagne, est un devoir des candidats et que ces derniers sont obligés de régulariser leur compte de campagne ».

    La désignation d’un trésorier de campagne par les candidats, ou les listes de candidats, est une obligation imposée par la loi relative au régime général des élections et des référendums. Celui-ci « tient le compte de campagne d’un candidat ou d’une liste de candidats en compétition dans une élection », selon le texte. Au nom de la transparence et de la traçabilité du financement des candidats, le compte de campagne en question « retrace les recettes perçues et les dépenses engagées en vue d’une élection ». Mais à l’allure où vont les choses, des candidats susceptibles d’intégrer l’Assemblée nationale, censés voter la loi et contrôler l’Exécutif, ne seront probablement pas en règle vis-à-vis de la loi.

    Pire encore, la CCFVP, censée contrôler le compte de campagne des candidats, semble impuissante face à la situation. En premier lieu, il faut souligner que la loi ne prévoit pas de sanction contre les candidats irréguliers. En outre, concernant les législatives du 27 Mai, la Commission de contrôle du financement de la vie politique « n’a pas été dotée de moyens » pour mener à bien sa mission, selon Rado Milijaona. Il promet de « dresser un rapport public afin que la population connaisse les dépenses des candidats pour une élection ».

    Thierry Rakotonarivo, vice-président de la CENI, appréhende une jurisprudence autour de l’application de la loi relative au trésorier de compte de campagne des candidats aux élections. « Il est possible que des candidats aux prochaines communales ne nomment pas un trésorier de compte en constatant l’absence de sanction contre ceux qui enfreignent la loi », craint-il.

    L’on attend la position de la Haute cour constitutionnelle (HCC), qui proclame les résultats officiels du scrutin, face à cette infraction quasi-généralisée. Sans trésorier de compte de campagne, les candidats ne peuvent justifier auprès de la CCFVP leurs recettes et dépenses durant les élections. « Il n’est pas exclu que la juridiction constitutionnelle disqualifie les candidats irréguliers car, dans une certaine mesure, la présentation d’un trésorier de compte de campagne pourrait être assimilée à une condition d’éligibilité », extrapole un observateur averti de la vie électorale.

    photo d’archives

  • CENI

    CENI

    Hitodika eny Ambohidahy indray manomboka izao ny mason’ny mpanara-baovao. Ny Fitsarana Avo Momba ny Lalampanorenana indray mantsy no hikirakira ireo vokapifidianana navoakan’ny CENI anio (15 jona) teny Alarobia. Ireo Mpitsara ao Ambohidahy no tompon’ny teny farany amin’izay vokatry ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 mey lasa teo.

    Mahakasika ireo savorovoro manodidina ny fifidianana dia nihaiky ny Ceni fa nisy tokoa ny hosoka ka ny fitsarana mahefa no handray an-tanana ireny raharaha ireny.

  • CENI – VOKATRA VONJIMAIKA AMIN’NY SABOTSY 15 JONA

    CENI – VOKATRA VONJIMAIKA AMIN’NY SABOTSY 15 JONA

    Araka ny efa voalaza dia hivoaka ny sabotsy 15 jona ny vokatra vonjimaika tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 mey lasa teo. Nilaza ny filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo, io maraina io (13 jona), 71 ny isan’ny fitarainana tonga teo anivon’ny Vaomiera Mahaleotena Mikarakara ny Fifidianana. Fangatahana fampitahana fitanana an-tsoratra (PV) miisa 837 no azo nekena tamin’ireo an’arivony voaray. Efatra ny fitanana an-tsoratra nahitana tsy fitoviana.